Politique

Roland Ratsiraka Nijapy lamasinin’ny TGV Toamasina


  • Talata 04 Desambra 2012

Hagagana ny an’ireo niatrika ny fety nokarakarain’ny TGV Toamasina tao Soavita ny sabotsy alina, izay nanasan’izy ireo ny mpanakanto Wawa nanafana.

 Tonga tao Atoa Roland Ratsiraka filoha nasionalin’ny MTS sady filoha lefitry ny filankevitra ambonin’ny tetezamita ary dia niaka-tsehatra nikabary raha nahita ireto olona feno trano. Gaga ny mpikarakara. Tetsy andaniny dia raikitra ny horakoraka ka tonga hatramin’ny hoe “tsy ihaino ny kabarinao no nandoavanay vola fa handihy”, “tsy fanaovana propagandy ny fetinay”...

Voatery nanafohy ny lahateny efa nomaniny, araka izany, ny filohan’ny MTS. Raha nanontaniana mikasika ity zava-nitranga ity i Ricky Dinh-Van Pagni, mpikarakara ny fety, dia nilaza fa na izy aza mba gaga satria tsy tokony hisy kabary na lahateny izany ity fety ity. “Efa zatra mijapy lamasinina tokoa ny mpanao politika sasany”. Na teo aza izany dia nizotra ny lanonana, i Roland Ratsiraka koa moa tsy naharitra ela dia lasa namonjy fodiana.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT