“Confinement ciblé“ na “fibohana voafaritra “ no soso-kevitra avy amin’ny depioten’i Toamasina, Roland Ratsiraka, izay efa ben’ny tanana teo aloha sy minisitra tamin’ny fotoana nandalovan’ireo valanaretina Choléra, Chickungunya, Peste teto amin’ny firenena.
Tohizana ny fanidiana ny lalam-pirenena faharoa sy fahadimy. Asiana sakana ara-pahasalamana ny fokontany 6 misy ny COVID 19, hoy hatrany ny soso-keviny. Araha-maso ny maripana sy fivezivezena. Omena arovava daholo ny olona miisa 10.000 monina ao amin'ireo fokontany ireo. Rarahana fanafody ireo fokontany ireo. Miverina miasa daholo manomboka ny alatsinainy fa samy mitandrina, toy ny, manao arovava manasa tanana matetika, hoy izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.