Tsy dia andrenesam-peo firy nanomboka tamin’ny fetin’ny krismasy ka hatramin’izao fiandohan’ny taona izao Atoa Roland Ratsiraka, filohan’ny MTS (Malagasy Tonga Saina) sady filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita rahateo.
Araka ny angonam-baovao natao anefa dia eto an-toerana ihany, izy, any Toamasina ny marimarina kokoa fa tsy nivoaka tany ivelany nandritra ireo vanim-potoana ireo. Nisy ihany ny ezaka nataon’ny mpanao gazety haka ny heviny saingy tsy nety tanteraka mihitsy izany hatramin’izao, na dia tsy nanda ny hanaovana izany aza ireo mpiara-miasa akaiky aminy, izay nanambara fotsiny fa hampitaina ny hafatra dia ho hita eo izay ho tohiny. Araka ny fantatra ihany koa dia tsy anisan’ireo mpanao politika nivory tetsy sy teroa ity filohan’ny MTS ity, ary ny fanambarana ofisialy farany navoakany dia taoriana kelin’ny nahavitan’ny fitsapan-kevi-bahoaka sy nivohan’ny voka-pifidianana, ka nilazany fa tokony hanambara mazava ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, Andry Rajoelina, na ho kandida na tsia amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Taorian’io dia tsy tazana firy intsony Atoa Roland Ratsiraka, ary tsy naneho hevitra matetika amin’ny haino aman-jery sy ny gazety mpiseho isan’andro tahaka ny fanaony hatrizay. Araka ny tsiliantsofina re avy amin’ireo olona akaiky azy dia nanapa-kevitra ny hiala sasatra kely mihitsy aloha ity zana-drahalahin’ny amiraly ity satria henjakenjana ihany iny taona 2010 lasa iny teo amin’ny sehatra politika. Na izany aza anefa dia maro ihany koa no mieritreritra fa manoman-tena sahady amin’ny fifidianana izy satria mety ho anisan’ireo kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ankoatr’izay dia mankasitraka ny hametrahana ny tetezamita iaraha-mitantana izy ary tsy mandà mihitsy ny fiaraha-miasa amin’ireo Ankolafy Telo sy ny fanelanelanan’ny sehatra iraisam-pirenena mba hivoahantsika amin’ny krizy. Noho ireo fanehoan-kevitra maro be nataony hatrizay ihany koa, dia mangatsiaka ny fifandraisan’i Roland Ratsiraka amin’i Andry Rajoelina, saingy sarotra ny hanilihana azy tsy ho ao anatin’ny tetezamita noho ny lanja politika ananany (angamba).
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.