Tontosa teny amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary ary nofaranana sy namoahana fehin-kevitra tao Antsahamanitra omaly ny zaikabe faharoan’ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS) tarihan’Atoa Roland Ratsiraka. Gagagaga izay nandalo tamin’iny faritra Antaninarenina sy ny manodidina iny noho ny hamaroan’ny olona nifamezivezy toy ireny andro tsy fiasana misy fety be ireny.
Ary dia izay tokoa no nitranga satria fety be niarahana tamin’ny mpanakanto malaza, Tsiliva sy Black Nadia, no nanaingo ny famakiana ny fehinkevitry ny zaikabe nasionaly nilaza ofisialy fa ho kandidàn’ny antoko MTS amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ho avy Atoa Roland Ratsiraka, izay nanao be fiavy, ary nilaza fa hovahana ao anatin’ny 100 andro ny olana mianjady amin’ny Malagasy ankehitriny raha tonga amin’izany toerana izany izy. Nirefotra ny afomanga tao Antsamanitra, nanaitra an’Ambohitsorohitra teo akaiky sy Antaninarenina ary heno hatraty Anosy sy ny manodidina rehetra taty. Nirefotra tahaka izany koa ny kabary nataon’Ingahy kandidà nanambara fa : “Manjavozavo ny fiainam-pirenena Malagasy ankehitriny. Tsy milamina noho ny tsy fandriampahalemana ny tany. Mijaly ny vahoaka tsy mandady harona.
Hamahana ny olana rehetra dia tsy maintsy mifidy filoham-pirenena vaovao isika. Tsy maintsy atao amin’ireo daty efa navoakan’ny CENIT amin’ny taona ho avy ny fifidianana rehetra ary hanana kandida amin’ny sehatra rehetra ny MTS”. Vonona hanaraka ny lalam-pifidianana rehetra ry zareo ka hametra-pialana amin’ny andraikitra sahaniny ny azy izay olony hirotsaka hofidiana.
“Tsy hitsikera fahatany ny fitondrana intsony izahay manomboka izao, hoy ny heno tetsy Antsahamanitra omaly. Filoham-pirenena manaja ny zo fototry ny Malagasy, tsy hanao valifaty, tsy handroba ny fananam-pirenena ary filoham-pirenena tsy tongatonga ho azy sy tampoka teo fa efa nanomana hatramin’ny ela ny sehatra politika. Vahiny manokana tonga nanotrona ity famaranana zaikabe tetsy Antsahamanitra ity moa ny ambasadaoron’i Alzeria izay nandefa solontena, ary filohan’antoko sy mpanao politika vitsivitsy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.