Politique

Roland Ratsiraka Hamory olona eo amin’ny bord Mahajanga


  • Zoma 17 Desambra 2010

Hihazo an’i Mahajanga i Roland Ratsiraka, filoha lefitry ny filankevitra ambonin’ny tetezamita sady filoha nasionalin’ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS), ny faran’ity herinandro ity

Ankoatra ny raharaha manokana izay ahatongavany any an-drenivohitr’i Boeny dia fantatra fa manomana hetsika eny amin’ny bord ny antokony rahampitso sabotsy 18 desambra. Fifaninanana hazakazaka posy sy bisikilety no hisantarana ny andro, avy eo hitohy amin’ny famoriam-bahoaka hafanain’ny tarika Tsiliva ny tolakandro.

Manarina ny fahabangana tamin’ny tsy nahateo azy nandritra ny fotoam-pivoriana faharoan’ny Parlemantan’ny tetezamita, fa tavela tany Toamasina, amin’ny fikarakarana ny fanondranana lodsia ny tenany, Roland Ratsiraka rahateo manana orinasa miasa eo amin’io lalampihariana io, dia izao manao izay hisarihana maso sy saina amina fihetsiketsehana toy itony mba tsy ho difotra any. Izay rahateo ny politika gasy, mila miseho dia miteniteny eny, na tsy misy lojika mazava aza, fa mba hanamarihana ny fisiana fotsiny ihany sao hadinon’ny olona. Efa nialohavana valandresaka tamin’ny mpanao gazety teto an-drenivohitra raha ny an’i Roland Ratsiraka ny herinandro lasa iny, izay niantsoany an’i Andry Rajoelina hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana ho avy eo. Fa amin’ny lafiny iray dia navesatra tamin’ireo mpanao politika sy antoko politika miara-dia amin’ny FAT, ka anisan’izany ny MTS, ny resaka nandeha fa i Tantely Andrianarivo no ho ilay praiministry ny marimaritra iraisana, hotendren’i Andry Rajoelina eo. Azo heverina fa izay no anton’itony hetsika any amin’ny Faritra itony, entina hilazana fa manana olona ary manana ny tanjany ny ny MTS, ka tsy azo tsinontsinoavina. Diso paika ihany anefa ireo mpanao politika sy antoko nihevitra izany, satria dia fantatra izao fa tsy hamadika izay efa nifanarahany tamin’ireo filoha efa nitondra ity Madagasikara ity sy ny Malagasy ny amiraly Ratsiraka sy ny ankolafy misy tarihiny ary tsy ho Praiministr’i Andry Rajoelina izany i Tantely Andrianarivo.
 
Jean D.
 
Sary : Roland Ratsiraka, filoha nasionalin’ny antoko MTS

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT