Politique

Roland Ratsiraka “Ahiana ho famotsiam-bola io fond souverain io”


  • Zoma 06 Aogositra 2021

Nampidirina tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Antenimieram-pirenena ny fandaniana ny fanaovana « Fond souverain»,

 karazana kitampom-bola manokana ara-panjakana fiandry ho eo am-pelantanan’ny Fanjakana ivelan’ireo tetibola efa voafaritra hanatanterana ny tetikasa maro samihafa. Ny fampiasam-bola ara-piandrianam-panjakana na “fond souverain” dia famatsiam-bola tazonin’ny fanjakana ka vatsiana amin’ny alalan’ny vola mihoatra ara-toekarena ny ankabetsahany. Ny tanjona dia ny hampiroboroboana ny mihoatra amin’ny fidiram-bola mba hanangonana ny tombony any aoriana any. Mampiahiahy anefa itony fampiasam-bola itony noho ny antony maro samihafa satria betsaka amin’izy ireo ny tsy mangarahara ary mety misy koa ny mandray anjara amina orinasa noho ny tanjona ara-politika, hoy ny depiote Roland Ratsiraka tao amin’ny tambajotran-tseraserany. Fa maninona I Madagasikara no hamorona ny fampiasam-bola ara-piandrianam-panjakana nefa isika tsy manana ambim-bola ara-toekarana na « excédent économique »? Fomba iray hampiasana vola tsy miankina ahafahana mamotsy vola ve ka ny fanjakana Malagasy no hanao izany ao andamosin’ny mpiray tanindrazana ? hoy izy. Nambaran’I Roland Ratsiraka fa ny famoronana io fampiasam-bola io dia hampiditra antsika ao anaty lisitra maintin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena satria tsy maintsy ahiana hisy vola mifandraika amin’ny trafika maro isan-karazany (volamena, andramena, rongony, terrorisme sns) handalo ao anatin’izany. Ora vitsivitsy alohan’ny fivorian’ny Antenimiera omaly fotsiny ihany no nahatongavan’ny antontan-taratasy eo anivon’ny antenimieram-pirenena ary tsy misy laharana eo aminy no sarotra dia sarotra ny handaliana azy alohan’ny fifidianana, ka nilazan’ity depiote ity fa tsy hampandany an’izany izy, ora vitsy nialohan’ny ora voafaritra handaniana ilay volavona-dalàna. Nahitsy io depiote io naneho fa tsy nisy governemanta teo amin’ny tantaran’ity firenentsika ity izay nanaiky ny famoronana ity fampiasam-bola ara-piandrianam-panjakana ity ary tsy ohatra tsara ny amin’ny fahaiza-mitantana izany.

Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT