Tsy dia re feo intsony efa ho iray volana izao Atoa isany Monja Roindefo sy Raymond Ranjeva, anisan’ireo voatonotonona ho niara-dia tamin’ilay Komity miaramila ho an’ny fanavotam-pirenena teny amin’ny BANI.
Efa ho iray volana mihitsy izao no tsy hita na re tamin’ny haino aman-jery izy ireo, na dia samy eto an-tanindrazana ihany aza. Ny profesora Raymond Ranjeva moa dia efa natao fanadihadiana teny amin’nrny zandary sy ny fitsarana, tahaka ireo manamboninahitra voarohirohy tamin’ny raharaha fanonganam-panjakana teny amin’ny BANI, saingy tsy mbola notsaraina hatramin’izao, tsy nampidirina am-ponja vonjimaika ihany koa izy. Ary araka ny tsiliantsofina re aza dia tsy ho sahy ny hanao izany mihitsy izao fitondrana izao noho ny maha mpitsara iraisam-pirenena misotro ronono azy.
Tena maro be tokoa mantsy araka ny fantatra ireo firenena vahiny sy fikambanana avy any ivelany no nanameloka ny natao tamin’ity mpitsara iraisam-pirenena sady mpanolotsainan’ny Papa Ray masina Benoit XVI ity. Fa ho an’ny praiministra teo aloha Monja Roindefo kosa dia tsy mbola nalaina am-bavany izy hatramin’ny nisian’iny raharaha BANI iny na dia voatonontonona matetika aza ny anarany, no sady fantatra fa mivory matetika miaraka amina manamboninahitra miaramila sy zandary ny tenany, na izany aza dia tsy mbola nisy ny fepetra noraisin’ny manampahefana hanamarinana na handisoana izany.
Toa miha resy lahatra ihany ny maro amin’izao fotoana fa tena tsy sahy misambotra an’i Monja Roindefo tokoa ny fitondrana tetezamita, satria efa im-betsaka ihany no voatonontonona amina raharaha tsy mazava mifampikasoka amina resaka fanonganam-panjakana ny anarany, kanefa dia tsy mbola nohadihadiana na nalaina am-bavany akory izy. Ny olon-kafa anefa, na sivily io, na miaramila, na mpitondra fivavahana tonga dia voasambotra sy miditra am-ponja avy hatrany, na voasava trano. Mbola tsy mikatona tanteraka moa ny fanadihadiana sy famotorana momba iny raharaha teny Ivato iny, koa ho hita eo ihany ny mety ho tohiny, fa raha ny tsiliantsofina re aloha, dia mbola maro ny olona voasaringotra ao anatin’ilay izy, saingy manana ny fomba fiasany moa ny mpanao fanadihadiana ka tsy misy tena mbola mahalala amin’ny antsipirihiny ny ho fizotry ny tohin’ny famotorana ny rehetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.