Politique

Rodoben’ny mpanohitra “Sahia, Lasa izao !”


  • Zoma 22 Jolay 2022

Sahia! Lasa izao!, hoy ny hiaka naverimberin-drizareo avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM tetsy amin’ny biraony etsy Bel’air omaly.

Nanao antsoavo fanavotam-pirenena amin’ny Malagasy rehetra izahay, hoy ny RMDM. Maro ireo fikambanana, mpanao politika, antoko politika, olon-tsotra namaly izany antso izany. Ireto izahay solontenan’izany rehetra izany, hoy ny filoha lefitry ny RMDM, Tsarahame Edouard, hanao izany fanambarana ny fahavononanay izany. miombo-po, miray hevitra, miray saina izahay ireo fa latsaka an-katerena ny firenena ka mila firaisankina ny fanarenana sy fanavotana azy. Adidintsika rehetra ny manavotra ity tanindrazana ity ka antony hanentananay izay mbola misalasala hoe tongava eny amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 23 jolay ho fanavotam-pirenena, hoy hatrany izy ireo. Isan’ireo nahatonga solontena omaly moa ny fikambanana MAMIFI na Malagasy mila filaminana, ny mpitondra fiarakaretsaka na Taxi, ny solontena avy any Toliara, Morondava, Faritra Atsimo andrefana, Faritra Anosy, ny avy any Mahajanga sy ny maro hafa. Ankoatran’ny fanentanana ho etsy amin’ny Magro moa dia miantso ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena koa ireto Rodoben’ny mpanohitra sy ny mpiaradia aminy ireto. Teny atsipy ho an’ny manam-panahy ireny nataon’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ireny, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame. Anjaran’ny tsirairay, adidintsika rehetra ny manatanteraka azy. Izahay kosa dia milaza fa tsy ankinina amin’olona iray ny fanavotam-pirenena. Ilaina ny fifampiresahana, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT