Namoaka fanambarana manoloana ny fanambaran’ny CENI tamin’ny herinandro izay nilaza fa misy 1.162.512 ireo olona manana kara-panondro roa samihafa omaly ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM).
Fiaikena ampahibemaso izany, hoy izy ireo fa tsy tomombana ny lisi-pifidianana nandritra ireo fifidianana nifandimby teto Madagasikara, nanomboka tamin’ny filoham-pirenena ka nitohy tamin’ny solombavambahoaka sy ben’ny tanàna. Mazava ho azy, hoy ny RMDM, fa izany olona na mpifidy tsy ara-dalàna izany dia tena mampiova voka-pifidianana tokoa. Manamafy sy manamarina ny efa nolazainay ihany koa io saingy nodian’ny HCC sy CENI fanina tamin’ny hoe « Azo raisina fa tsy mitombina ». Tsy ara-dalàna ireo fifidianana natao teto Madagasikara nanomboka ny 2018 ary tsy manana ny atao hoe « légitimité » ireo rehetra voafidy tao anatin’izany. Nanapa-kevitra ny RMDM fa takian’izy ireo tsy misy fepetra ny fanafoanana ny fifidianana rehetra farany teo nanomboka tany amin’ny filoham-pirenena ka hatrany amin’ny ben’ny tanàna. Ilaina ny fanomanana avy hatrany amin’ny firosoana amin’ny fifidianana vaovao. Fampiatoana sy fanoloana avy hatrany ireo mpikambana ao amin’ny CENI sy HCC satria andrim-panjakana tsy azo itokisana intsony. Mangataka ny vahoaka ho sahy hijoro hametraka firenena vanona ny RMDM. Niaraka nanao fanambarana omaly ireo mpitarika tahaka an’i Marc Ravalomanana filoha nasionalin’ny TIM sy ny sekretera jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro, niaraka tamin’i Riana Andriamandavy VII filoha lefitry ny antoko HVM avy amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa, izay lasa mpitondra teny ao anatin’io vovonan’ny RMDM io. Raha tsy hita firy tao anatin’ny RMDM ny HVM, dia mazava izany izao fa tena niditra tanteraka ao anatiny satria manana toerana filoha lefitra, raha ny tapaka tany am-boalohany.
J. Mirija sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.