Politique

Rodoben’ny mpanohitra “Ravao ireo governora raha misy HCC eto”


  • Alakamisy 12 Mey 2022

Ravao ireo governora raha misy HCC eto, hoy omaly tetsy Bel’air ry zareo avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM.

Iarahantsika mahita fa tsy mandeha amin’ny tokony handehanany ankehitriny ny raharaham-pirenena, hoy izy ireo. Ny lohany indray no matsatso ary tsy mbola nahita teto amin’ny firenena isika mpitondra miteny zavatra hafa toy ny hoe ny omby vositra no miteraka, vary 2 taona vao vokatra, 13+6+18. Na ny fomba fitantanana ilay firenena aza tsy mandeha amin’ny laoniny. Toy ny mpiray tsikombakomba amin’ny tsy fietezana misy eto amin’ny tany sy ny firenena ny RMDM raha mangina amin’izao. Mpiray tsikombakomba amin’ny famotehana ity tanindrazantsika ity. Izay no ijoroanay sy ilazanay fa tsy mety intsony izao fomba fitantanana ny firenena amin’izao endriny rehetra izao. Iaraha-mahita fa latsaka an-katerena tanteraka ny firenena ankehitriny. Tsy ela dia hiheritreritra hiomana amin’ny fifidianana 2023 isika. Raha mbola toy izao no endrim-pitantanana dia inoanay fa iteraka olana ho antsika izany fifidianana heritreretina atao izany. Alohan’ny hisian’ny izany dia mijoro izahay milaza fa tsy mendrika ho antsika ny mbola hisian’ny korontana mialoha na aorian’izany fifidianana izany eto amin’ity firenentsika ity. Ilainay ny hisian’ny fitoniana ara-politika, tontolo iainana, toekarena, sosialy iatrehana izany rehetra izany. Raha nanao famoriana ny mpanao politika ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana na HCC dia mihevitra fa ireny no tena vahaolana. Nahitsy sy mazava ny tenin’ny filohan’ny RMDM. Hamafisinay, miantso ny HCC izahay handrava faran’izay haingana ny governora rehetra misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy araky ny lalampanorenena izany tsinona ka raha tsy manao izany ny HCC dia manaporofo sahady fa iray tsikombakomba amin’ny fitondrana amin’ny fifidianana hoavy. Tsy matoky io HCC io hikarakara fifidianana izahay raha tsy vitany ny mandray fanapahan-kevitra momba izany. Ravao io raha mbola misy HCC eto. Miteny ny CENI koa izahay dieny izao. Hareno ny fihetsika, amboary ny lalana tokony aleha fa tany iarahantsika manana ity Madagasikara ity. Samy marary isika amin’izao vidim-piainana, tsy fandriampahalemana, zava-mitranga rehetra eto amin’ity firenena ity izao, hoy hatrany ny RMDM.
J. Mirija
Legende: Tetsy Bel’air omaly
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT