Politique

Rodoben’ny mpanohitra “Ravao faran’izay haingana ny governemanta”


  • Zoma 18 Febroary 2022

Ravao faran’izay haingana ny governemanta, hoy ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM, tetsy amin’ny foibeny etsy Bel’air omaly.

Raha ohatra ka sarotra izany, hoy ny filoha lefitra, Edouard Tsarahame, dia ireto misy lafiny maromaro atolotray entina mandrava azy. Manana parlemantera isika. Nomen’ny lalana hametraka fitsipaham-pitokisana ny governemanta ireo solombavambahoaka. Tokony atao faran’izay malaky izany, raha tsy hoe mpiray tsikombakomba amin’ny governemanta koa ny parlemanta. Manana mpitandro filaminana isika izay “dernier Rampart de l’Etat” na andry iankinan’ny firenentsika farany. Tsy aiko na mbola fiteny any amin’ny tafika ny hoe tsy miamboho adidy aho “mon général”. Raha mbola misy izany teny izany any ka mbola misy manam-boninahitra mijery ny firenena sy ny vahoaka Malagasy dia mitsangana ianareo hanarina ity firenena ity. Latsaka an-katerena tanteraka ny firenentsika. Miantso ny rehetra izahay mba hanaovana fikaonan-doha mialohan’ny fifidianana hanarenana ny firenena fa tsy mahay mitantana ny mpitantana. Tsy mijery ny tombontsoam-bahoaka fa werawera fotsiny no ataony, hoy hatrany ny RMDM.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT