Politique

Rodoben’ny mpanohitra Namoaka ny dosien’ny fitondrana tetezamita


  • Alakamisy 16 Jolay 2020

Namoaka ireo teboka lehibe voarakitra ao amin’ny fanadihadiana nataon’ny banky iraisam-pirenena momba ny resaka paradisa fiskaly

eto Madagasikara omaly ny rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara. Voaresany koa ny resaka natao momba ny orinasa Tiko any Vohidiala sy ao amin’ny seranan-i Toamasina. Tsapa fa tsy manana izany toetra maha “ homme d’Etat” izany ny filoham-pirenena satria tsy manana ilay atao hoe “ honnêteté intellectuelle” ary hita avy hatrany fa fanenjehana manokana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no nataony, hoy ny RMDM. Ny mpitondra manana ny “ honnêteté intellectuelle” dia milaza ny marina momba ilay dosie nambaran’ny BM. Vokatry ny fanadihadiana natao iny fa tsy tatitra araka ny filazany. Fanadihadiana tamin’ireo tahirin-kevitra teo anelanelan’ny taona 1990-2010 koa fa tsy 2002-2010. Maninona no nesorina ny teo anelanelan’ny 1990-2002? Satria ve ny olona nitondra tamin’izany manohana ity fitondrana ity ka natao fanahiniana nesorina sao manahirana? Tsy misy ny porofo fa ny fitondran’i filoha Ravalomanana no nanao ny fanodinkodinana ireo vola ireo tany amin’ny “paradis fiscaux”. Vakio tsara ilay fanadihadiana fa tsy misy anaran’olona ao na iray aza. Efa fahazarana ve ny manao “manipulation” ny vahoaka dia omena daty diso sy tsy hilazana ny marina izy ireo? Iza no nilaza ren-tany ren-danitra fa tsy hiankina amin’ny mpamatsy vola mahazatra, indrindra ny Banky iraisampirenena sy ny FMI. Momba ireo orinasan’ny Tiko any Vohidiala na ilay any amin’ny seranan’i Toamasina dia misy fifanarahana nifanaovana daholo ireo. Ny fitondrana tetezamita ihany koa no nangalatra ny fananan’ny Tiko toy ny vary tany amin’ny Port Toamasina, nandoro ireo Magro manerana ny Nosy, nangalatra ireo fiara sy kamiao samihafa, hoy hatrany ny RMDM. Manainga ny olona rehetra izay manana porofo na ihany koa nahita ireo mba hitsangana ary hanatona anay. Avoay ny marina momba ny vola namarotana ny harempirenena tany Soalala sy ny fanondranana andramena izay misy rakitsary mirakitra fa Andry Rajoelina dia anisan’ny nanao an’io ary ny vidin’ny avion “force one 1” izay namidinareo. Volam-bahoaka daholo ireny, hoy hatrany izy ireo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT