Politique

Rodoben’ny mpanohitra “Namafy izahay fa ny vahoaka mety hijinja”


  • Talata 13 Oktobra 2020

Naka ny toerana maha mpanohitra azy no anton-dian’ny rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara tany amina faritra maro tamin’ny herinandro, hoy ny tatitra fohy nataon’ny talen’ny seraseran’ity vovonana politika ity, Gaby Vakiniadiana, omaly.

 

 

 

Nihaino ny feon’ny vahoaka izy ary nijery ny fahoriany. Nampanantena ny RMDM, hoy izy, fa tsy hanaiky ary hilaza ny tsy mety rehetra eto amin’ny firenena. Tonga tany Toamasina izahay nilaza fa ny hanarina ny toekarena izao no tokony imasoana kanefa tany orinasana Malagasy indray no nopotehina. Vahoaka Malagasy no miasa sy mandray vola ao. Namory vahoaka tao amin’ny Magro Toamasina moa izahay ary izahay no namafy fa ny vahoaka no mety hijinja ka hiaraha-mahita eo ny vokany. Manantena izahay, hoy hatrany izy, fa voarain’ny vahoaka ny tianay nambara.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT