Politique

Rodoben’ny mpanohitra Mitaky mangarahara bebe kokoa


  • Alakamisy 16 Aprily 2020

Nivory nanao jery todika ny resaka fahamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan'i Madagasikara omaly ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra eto Madagasikara.

 

 

Miantso ny fanjakana tompon'andraikitra sy tompon'antoka eto amin’ny firenena izahay, hoy izy ireo, mba hampiasaina ny mangarahara amin’ny fahamarinana ny fampiasana ny vola 300 tapitrisa dolara avy amin’ireo mpamatsy vola iraisampirenena izay vola entina iatrehana sy ifehezana ny COVID19 eto Madagasikara. Hividiano arovava miisa 2 avy ho an'ny isam-batan’olona ary omeo vary sy sakafo sahaza azy isan-tokantrano dia mijanona ao an-trano ny vahoaka tsy an-kanavaka ny fizarana isan-tokantrano io satria ny 80% ny Malagasy no marofy araka ny tatitra nataon'ny Banky iraisampirenena hoy hatrany ny RMDM. Ny 20% izay mamokatra dia tsy miasa koa amin’izao fotoana izao. Noho izany dia tsy an-kanavaka ny fanampiana isan-tokantrano. Mikasika ny resaka fampitam-baovao miaraka na « réquisition » dia fanontaniana napetrak’izy ireo ny hoe maninona no tsy atao izany koa ny an'ny vahiny toy ny Telma, Canalsat.... ny zone franche ? Omeo arovava sy sakafo ampy ny vahoaka dia mijanona any an-trano fa tsy zaraina « Lacrymogène », hoy hatrany ny RMDM.

 

Namoaka ny momba ireo vola azo sy nokirakiraina mba hiatrehana ny Covid 19 omaly 15 aprily ny ministeran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola ary nanome toky fa tsy maintsy hanaovana fanadihadiana ny nampiasana ny vola rehetra.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT