Politique

Rodoben’ny mpanohitra Miantso ny mpitondra mba hametra-pialana


  • Zoma 19 Jona 2020

Mangataka ny hialan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny ekipany faran’izay haingana ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM.

 

 

Nambaran’ny pastera Edouard Tsarahame omaly fa tsy mandeha amin'izay laoniny ny fitantanana ny firenena fa fampanantenana lainga sy fitaka no betsaka . Noho izany dia tsy mahatoky io fitondrana io intsony izahay ary tsy misy antenaina ny hirosoan'i Madagasikara amin'ny fampandrosoana marina, hoy ry zareo eo anivon’ny rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara omaly. Isan’izany ny resaka tsy fangaraharana eo amin’ny fitantanana toy ny fanomezana andraikitra na « passation de marché », isan’izany ny vary mora, ny fividianana 4x4, ny kianja Barea eo Mahamasina, ny Colisée sy ny hafa marobe. Eo koa ny resaka lalana momba ny tetibola na “Loi de Finance Rectificative” izay mbola tsy nankatoavina nefa efa misy sahady ny famoaham-bola. Anisan’ny noresahin’ny pastera Edouard Tsarahame avy ao amin’ny RMDM manokana omaly ny mikasika ny tranga any Toamasina sy ny tsy fahafehezan’ny Fitondram-panjakana ny tsimokaretina COVID 19. Tsy mitsaha-mitombo hoy izy ny marary nefa dia mbola hamafisin’ny filoham-pirenena hatrany fa voafehy ny aretina. Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ireo miaramila misambotr’olona nefa ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana ny firenena. Ho an’ny loholona Joafetra indray dia nambarany fa tsy misy mangaraharaha ny zavatra hataon’ny mpitondra fanjakana izay nanomboka tamin’ny famatsiam-bola nahafahana nampiditra fitaovam-piadiana mahery vaika teto amintsika tsy mbola mazava amin’ny vahoaka, ka hatramin’ireo tsena-barom-panjakana marobe nandeha tamin’ity fihibohana ity izay tsy nisy famoahana to. Faro-bidy mazava araka ny filazany. Ankoatr’izay takiany ihany koa ny hamoahana ilay raharaha « doublon »  teo anivon’ny CENI tsy nisy tohiny intsony nefa handeha indray ny fifidianana izay ho filoha lefitra eo anivon’ny CENI, tanterahin’ny solombavambahoaka.

J. Mirija sy Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT