Manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena dia nanapa-kevitra ny eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara fa hanao fikaonan-doha nasionaly mikasika ny raharaha
misy eto amin’ny firenena rahampitso 23 sy rahafakampitso 24 jolay eny amin’ny Ri Lao Tsu By Pass izay hanasany ireo herivelona rehetra eto amin’ny firenena. Ekena fa tsy ho tonga nasionaly izany raha tsy eo ireo mpizaika avy any amin’ny faritra, hoy ny mpitondra teny, Pasitera Edouard Tsarahame, ka ho asaina avokoa ny faritra miisa 22 eto Madagasikara. Isany ny fiarahamonim-pirenena, ny sendika, olon-tsotra, raiamandreny ara-drazana, raiamandreny ara-panahy, mpanao politika isan-karazany, indrindra, fa ny fikaonan-doha atao dia hijerena ireo mpanao politika tsy mitovy hevitra amin’ny fitondram-panjakana. Na iza na iza mahita hevitra enti-manarina ny firenena dia asaina avokoa hijery ny vahaolana hitany hamahana izao olana mianjady amin’ny firenena Malagasy izao. Manana ny fandaminany manokana ny any amin’ny faritra ary efa misy olona napetrakay hijery ny fandaminana mikasika izany. Mbola anaty ahamehana ara-pahasalamana moa isika ary dia narindra tanteraka ao anaty fanajana fepetra ny famerana ny isan’ny mpandray anjara. Mikasika ny resaka fidinana an-dalambe moa dia nanamafy ny Pasitera Edouard Tsarahame fa ataon’ny olom-pirenena isan’andro izany. Ny fanjakana no efa maloto saina ka miahiahy hatrany. Miala ao an-trano dia efa midina an-dalambe, miantsena, hiasa, hampianatra, ny fiainanao isan’andro dia efa fidinana an-dalambe ka tsy hitako ny maha sarotiny ny fanjakana mikasika izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.