Nivory tetsy amin’ny foibeny etsy Bel’air omaly ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra eto Madagasikara na RMDM. Nilaza izy ireo fa tsy
mangarahara ny mikasika ireo fepetra raisin’ny fitondram-panjakana hiatrehana ny ady amin’ny areti-mandripaka COVID 19. Na eo amin’ny fitiliana izany na eo amin’ny fitsaboana. Vitsy ireo vita fitiliana. Isan’ny takian’ity vovonana politika ity izay tena namorona marina ny atao hoe Covid Organics. Tambavy ve izy io, sa vakisiny sa fanafody, sa ody gasy , sa inona marina ? Ahoana no anaraha-maso ireo izay nifampikasoka tamin’ireo mitondra sy nitondra ny tsimokaretina, Indrindra, ireo any amin’ny faritra? Efa niteny ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, hoy izy ireo, fa amin’ny alalan’ny fitiliana na “test” ihany no ahafahana mifehy ny aretina. Nahoana ihany koa, hoy izy ireo, no tsy andrenesam-peo ny minisitry ny fahasalamana? Mitaky fanadihadiana eny anivon’ny parlemanta na “enquete parlementaire” noho izany izy ireo mikasika ny fitantanana ny raharaham-pirenena ankehitriny sy ny mikasika ny raharaha “doublon” nialoha izao hahamehana ara-pahasalamana izao. Hanatitra olona haka ny toeran’ny lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny antenimieram-pirenena koa ny RMDM, hoy izy ireo, amin’ny fivorian’ny parlemanta manaraka eo satria fanatanterahana ny lalàna izany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.