Politique

Rodoben’ny mpanohitra “Harenanay ny tsy fitovian-kevitra”


  • Alatsinainy 09 Aogositra 2021

Nanatontosa fanadiovana faobe tetsy amin’ny kianjan’ny finoana etsy Behoririka ny sabotsy teo ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM

 mba handraisana ny fankalazana ny faha 2 taonan’ity vovonana ity rahampitso 10 aogositra. Manentana ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina, hoy ny filoha lefitr’ity vovonana politika ity, Tsarahame Edouard, mba hifanotrona sy hifanome tanana amin’io fety io satria izany no atao dia hanomezana fahafaham-po ho an’ny tsirairay avy tsy hanavahana volon-koditra, politika, fihaviana, firazanana fa Madagasikara dia antsika rehetra. Amin’ny maha mpanao politika ny RMDM sy ny maha fotoana manan-tantara eto amin’ny firenena io fotoana io ihany koa dia misy hetsika politika hataonay eto, hoy izy, amin’io fotoana io. Io no hilazanay ny fehinkevitra nataonay teny amin’ny By pass ny 23 sy 24 jolay teo sy izaranay izany amin’ireo nitady ka tsy mbola nahazo ilay fehinkevitra. Tsy mizara ny RMDM fa harenanay ny tsy fitovian-kevitra, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT