Nampahafantatra tetsy amin’ny foibeny etsy Bel’Air omaly ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara fa ny 4 desambra izao dia hanao tolo-tanana lehibe ho an’ireo traboina any Farafangana etsy amin’ny Magro Behoririka ny RMDM.
Io fotoana io koa no hanoloranay ho hitam-poko, hitam-pirenena ilay boky mitondra ny fehin-kevitra miisa 16 teny amin’ny By pass, hoy izy ireo. Ho lazainay amin’io fotoana io ho ren-tany, ren-danitra fa tsy miova hevitra ny RMDM ary tsy mangataka fiaraha-mitantana sy mitady seza amin’ny sasany izay mieritreritra izany. Tsy mangataka seza izahay fa mitady fahefana. Miomàna ianareo fa haka fahefana no ataon’ny RMDM fa tsy mitady seza. Ny vahoaka no tompon’ny fahefana dia any izahay no mandresy lahatra azy amin’izay fomba rehetra hakana izany fahefana izany. Adidinareo koa ny mandresy lahatra ny vahoaka hiaro anareo fa aza aty amin’ny RMDM fa aza aty amin’ny RMDM no mampiditra ny tsy tokony hidiran’ny aty dia ianareo tsy manara-dalàna indray no avo vava. Miantso ny vahoaka Malagasy manontolo amin’ny 4 desambra mba hifanome tanana manoloana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena. Fanombohana ny ao Farafangana. Ny vahoaka no tompon’ny fahefana fa tsy ny governora izay tsy ara-dalàna. Gaga aho, hoy ny mpitondra tenin’ny RMDM, Edouard Tsarahame, raha ny tsy ara-dalàna indray no milaza ny tenany fa azo itokisana na “crédible”. “crédible” amin’ny inona izy? Izy aza tsy anaty lalampanorenena. Ho hitantsika eo izay “crédible” sy tsy “crédible”. Ny fanjakana dia hanao ny fomba rehetra hanakanana io famoriam-bahoaka io na dia tolo-tanana sy fanatanterahana ny hoe gasy mifanome tanana aza. Aleon-drizareo manafatra zavatra any ivelany tsy ho tonga na oviana, hoy hatrany ny RMDM.
J. Mirija
Legende: Tetsy Bel’air omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.