Politique

Rodoben’ny mpanohitra “Ajanony io fanamboarana kianja ao Anatirova io"


  • Sabotsy 23 Mey 2020

Manota fady indray ny mpitondra, nosimbainy tanteraka ny toerana manan-kasina, mariky ny tantara etsy amin’ny rovan’i Manjakamiadana, hoy ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM,

 

 

 tetsy amin’ny foibeny etsy Bel’air omaly. Taiza ao anaty kolontsaina malagasy, hoy izy ireo, no nisy Coliseum, raha naneho ny heviny mikasika ny fanorenana izany eo ambonin’ity lapa ity. Entina hidedahana sy hanaovana fety amin’ny 26 jona ve io? Miantso ny amin’ny tokony hampiaton’ny fanjakana ny fanovana ny satan’ny Rovan’i Manjakamiadana izay tanterahin’ny Fitondram-panjakana ankehitriny ny RMDM; raha misy ny asa fanatsarana hatao hoy hatrany pastera Eudouard dia mitovy amin’ny teo aloha ihany no tokony hatao fa tsy volena coliseum na zavatra hafa izany izay mety hampitontongana ny hasin’ny firenena sy ny tany.Tsy efa nahafahana namonjy ny malagasy manoloana izao voina mahazo azy izao ve ny vola lanilany foana nanaovana azy io, hoy hatrany ny RMDM? Tsy misy fierana na amin’ny vahoaka na amin’ireo taranak’Andriana. Fara-faharatsiny mba nierana tamin’ny mpanolontsainan’ny tanànan'Antananarivo, hoy izy ireo, dia ireto farany indray no mampita ny hafatra amin’ny vahoaka. Mangataka ny hampiatoana avy hatrany ity fanovana ny satan’ny Rovan’i Manjakamiadana ity araka izany ny RMDM satria mety hitarika ny fanafintohinana ho an’ny vahoaka Malagasy izany

J. Mirija sy Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT