Tsy maty tsy akory na sanatria natoritory ny rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, hoy ny talen’ny seraserany, Gaby Vakiniadiana. Eo ny fametrahana ny rafitra madinika any amin’ny fokontany, distrika, faritra rehetra any.
Tena miasa izahay, hoy izy, ary tena mijery vahoaka. Adidinay ny manaparitaka ny fanoherana any amin’ny vahoaka. Tsy Antananarivo irery no Madagasikara, araka ilay fitenenana, hoy izy, ary antony andisoanay ilay hoe rovan’i Madagasikara ny rovan’Antananarivo. Rovan’Imerina io, hoy izy. Samy manana ny rovany ny isam-paritra. Manana ny marary azy ny isam-paritra ka tsara raha aparitaka manerana ny nosy ny fanoherana dia samy manana ny rovany, ny rafitra iaingany, ny fotoana hipoiran’ny marariny ny tsirairay. Tsy eto ihany aza fa manerana izao tontolo izao toy ny any La Réunion sy Frantsa no hametrahana ny RMDM mba hisiana fanoherana maro miainga dia anjaran’ny vahoaka no mandray ny andraikiny satria tsy voatery ho fanonganana ny fanoherana fa mety ho fanatsarana koa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.