Politique

Rodoben’ny Malagasy Toamasina “Efa fampihavanana izao fiarahantsika izao”


  • Talata 16 Aogositra 2011

Nanao fihaonana fampitam-baovao ho an’ny vahoaka sy ny mpiara-mitolona tao an-tokontan’ny Magro Tanambao V ny Rodobe Toamasina ny sabotsy teo.

 “Efa fampihavanana izao mitranga eto izao”, hoy ireo mpitarika. Raikitra fa dia ho “Kianjan’ny Fifankatiavana” no hiantsoana io toerana io manomboka izao ary ho isaky ny sabotsy ny hetsika ao. Nahitsy ny tenin’i Dahy Emilien, mitarika ny ankolafy Ratsiraka ao Toamasina, tamin’io nilaza fa “aoka izay tsy hihavana sy tsy te-hiaraka aminay, tsy hanakana ny hafa”. I Victor Wong kosa nanamafy ny tsy maintsy hananganana ny tetezamita tena izy sy ny hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena. Rasamimaka Mahefalahy mpitarika ny ankilafy Ravalomanana sy Radebason izay isany nitondra ny CRN tamin’ny fotoan’androny kosa dia fifamelana sy fianken-keloka no nasian’izy ireo tsindrimpeo. “Fitaratra ho an’ireo izay mbola miziriziry sy manavan-tena izao fihavanantsika izao”, hoy izy ireo.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT