Politique

Rodoben’i Toamasina sy Federalista Manetsika ny fitoriana nataon’ny Pr Zafy Albert


  • Alakamisy 15 Novambra 2012

Tena malahelo tokoa izahay, hoy ny fikambanana Rodobe zanak’i Toamasina tarihan’Atoa Kotomanantsoa Rémi sy ny Federalista amin’ny Faritra 22 eto amin’ny Nosy amin’izao trangan-javatra mahazo ny namanay avy any Toamasina izao

 Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana izahay, hoy ity mpitari-tolona ity, mba hitandrina sy hieritreritra fa mety hitarika zavatra hafa hatrany amin’ny fihoaram-pefy ny fikitikitihana an’ireo tanoran’ny Faritr’i Toamasina maromaro ankehitriny. Mampahatsiahy manokana izahay, hoy Atoa Kotomanantsoa, fa izany Tangalamena izany dia manana andraikitra hilaza ny zava-marina eo amin’ny fiarahamonina rehefa hitany fa misy ny tsy mety mitranga ao. Tokony ho fanadihadiana manokana tamin’ny firesahana tamin’Atoa Zakariasy no nataon’ny fanjakana, hoy izy, fa tsy izao fihazakazahana fampidirana olona am-ponja izao. Nahoana no misy olona mitory amin’ny filazana ny vaovao marina dia henjehan’ny fitsarana tokoa ilay toriana nefa ny fitoriana nataon’ny Pr Zafy Albert izay tena nanonona anaran’olona maromaro tsy mba asiana resaka na kely akory aza ? Tena efa manjakazaka eto amintsika ny «mafia» fantatr’i Toamasina iray vohitra, hoy ity mpitari-tolona ity. Aoka tsy hasiana korontana intsony eto Madagasikara ary halamina faran’izay haingana ity raharaha ity, hoy izy.

 

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT