Politique

Rodobe sy vovonan’ny mpanohitra “Mangetaheta sy miantso anay ny vahoaka”


  • Alakamisy 08 Oktobra 2020

Tafatsangana ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara any amin’ny distrikan’Arivonimamo, hoy ny fampitam-baovaon’ireo isany nitarika delegasionina tany an-toerana, Mihari-Ni-Rencho. Isan’ny nahafinaritra ny nahitana ny antoko politika MFM tao anatin’izany,

 

 

hoy izy. Tao moa ny HVM sy ny TIM fa nisy koa olon-tsotra sy solontenan’ireo tantsaha. Tao amin’ny lisea Jhonson, izay manana ny tantarany eto Madagasikara moa no nananganana izany tamin’ny fomba ofisialy. Tao no isan’ny namonoana vazaha voalohany talohan’ny Menalamba. Miasa mangina mametraka ny RMDM manerana ny nosy izahay ankehitriny saingy etsy ankilany dia manangana vovonana ivondronan’ireo antoko mpanohitra eto koa izahay, hoy izy. Efa ivondronana antoko maro ny RMDM fa mbola ao anatin’io vovonana io dia ilay Panorama. Efa tena latsaka an-katerena sy miditra anaty fahantrana lalina ny vahoaka satria na ny fidiran’ny mpianatra aza dia maro ireo tsy afaka mampiana-janaka vao nivoaka ny ahamehana. Ny Jirama koa izao io tonga dia hoe aloha nefa mbola anaty ahamehana. Ny tsy fandriampahalemana etsy an-daniny ka lasa vizana amin’ny fampanantenana ny vahoaka. Na ny lalana aza nolazaina izao tany Toliara hoe ho atao ny RN 13 manomboka ny janoary. Iza no manao azy? Aiza ny vola? Mandeha ve ny tolobidy? Aza adino fa mbola anaty fahavaratra sy rivodoza isika amin’izany. Maninona no atao an’izay foana ilay vahoaka? Mitady mafy ny RMDM ankehitriny ny vahoaka, hoy hatrany izy. Faly izy ireo satria izahay tsy mampanantena na inona na inona ankoatry ny hoe andeha ifanome tanana hiady amin’izao fanitsakitsahana lalampanorenana izao. Efa mitsangana koa ankehitriny ny vovonan’ny mpanohitra any Antsiranana sy any SAVA, hoy hatrany ny fampitam-baovao avy amin’ny RMDM. Hita mihitsy, hoy izy ireo, fa mangetaheta ny vahoaka ary miantso anay.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT