Politique

Rodin Rakotomanjato “Tsy mpameno ny banga ny Ankolafy Telo !”


  • Alarobia 12 Janoary 2011

Karazan’ny toa mifanohitra be ihany ny hevitra na dia eo amin’ireo samy mpiara-dia aza. Ho an’ny TIM etsy amin’ny Magro, dia tsy miala amin’ny fifanarahana tany Maputo ny resaka amin’ny fananganana ny tetezamita tena izy.

Ho an’ny eny Ambohimanambola kosa anefa dia somary mivaona. Anisan’ny nangatahin’ny TIM tamin’ny fifampidinihana nataony tamin’ny TGV sy ny UDR, ohatra, ny hahazoana ny primatiora izay tsy tafiditra velively tanatin’ny fifanarahan’i Maputo. Ankoatra izay dia tsikaritra fa tsy ny ankolafy Ravalomanana rehetra no mifampidinika eny amin’ny Le Hintsy fa ny ampahany ihany. Mazava moa ny tenin’ny solombavambahoaka Rodin Rakotomanjato omaly fa dia tsy hiditra ao anaty rafitra ny Ankolafy Telo satria tsy fanentsenana na famenoana ny banga izy ireo. Ho an’ireo vehivavy moa dia mazava ihany koa ny tenin’izy ireo fa rehefa ny filoha Ravalomanana no miteny fa tapitra ny tolona izay vao hijanona izy ireo. Fantatra moa fa hiato ny famoriam-bahoaka eny an-kianja amin’ity anio ity fa hihazo ny fotoam-pivavahana hifadian-kanina ireo mpiara-mitolona avy amin’ny Ankolafy Telo. Ny alakamisy izany vao hifamotoana etsy amin’ny Magro Behoririka izy ireo.

Nangonin’i Soa
 
Sary : Rodin Rakotomanjato

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT