Politique

Rodin Rakotomanjato Hody amin’ity volana ity Ravalomanana


  • Talata 06 Novambra 2012

Ao anatin’ny tolona tena mivaivay isika izao, hoy ny CST Rakotomanjato Rodin manoloana ireo mpiara-dia amin’ny ankolafy Ravalomanana tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka omaly.

 Nampahantraina tanteraka ny Malagasy, hoy izy hany ka sahirana vao mahita harapaka. Ankoatra izany anefa dia mikorontana ambony ambany ny fiainam-pirenena. Tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’ny firenena, hoy izy izany hoe zandary sy mpiandry fonja nifandramatra izany, adin’ny samy manana basy. Tsy manam-bola ihany koa ny fanjakana kanefa ny minisitry ny vola tsy handrenesam-peo hatramin’izao, hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita ity izay nanamarika fa dia miandry fatratra sy nampitandrina izany minisitra izany ny tenany raha hihaona amin’ny parlemanta amin’ity herinandro ity.

Momba ny resaka fifidianana dia nambaran-dRakotomanjato Rodin fa hatramin’izao dia tsy mbola nanomboka ny fanisam-bahoaka any Itasy. Matahotra fifidianana ny mpitondra amin’izao fotoana izao, hoy izy ka ezahina amin’ny fomba rehetra ny hanemorana izany fifidianana izany. Mifanohy amin’izay ihany dia nambaran’i Zafilahy Stanislas fa satrin’ny FAT aza hitondra eo ka ho tonga ‘mandat’ iray hamenoana paosy. Mody navoaka fotsiny io datin’ny 8 mey 2013 io, hoy izy fa resabe daholo satria izany fifidianana izany dia ialoavana fitoniana na ara-politika na ara-tsosialy. Ny any Atsimo anefa iaraha-mahalala, ny olan’ny sarandalana dia iaraha-mahita ihany koa.

Ny sori-dalana izay milaza mazava fa miverina tsy misy fepetra ny filoha Ravalomanana tsy hajaina akory. Hain’io tetezamita amin’izao fotoana izao io, hoy i Zafilahy Stanislas fa tsy maintsy mody Ravalomanana saingy lalaoviny fotsiny hanaovana lazon’ady. Nambarany ihany koa fa tsy ny eto an-drenivohitra ihany no tsy manaiky ny tsy hiverenan’i Marc Ravalomanana fa ny any amin’ny faritra ihany koa. «Tsy manaiky izany Dada tsy hiverina izany izahay fa dia hifankahita eto», hoy i Zafilahy Stanislas izay nilaza fa raha tsy hita soritra ny fahatongavan’ny filoha amin’ny 8 novambra dia hisy fepetra manokana horaisina. Ny depiote Rakotomanjato Rodin moa dia nilaza fa ny tantsaha dia mino tsy misy fepetra ny fodian’ny filoha tsy ho ela. Nambarany fa tokony ho tafody amin’ity volana novambra ity ny filoha Marc Ravalomanana.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT