Robinson Jean Louis

> Hitarika ny Komity nasionalin’ny mpanohitra


  • Sabotsy 25 Janoary 2014

Anisan’ny fivoriana ara-politika niseho tetsy sy teroa tao anatin’ny 24 ora, ny natrehan’ireo fikambanana sy antoko politika niisa 16 teny amin’ny foibe toeran’ny antoko Avana eny Ambohimiandra, ka nananganana ny Komity nasionalin’ny mpanohitra izay nifanarahan’ny rehetra fa Atoa Robinson Jean Louis no hitarika izany.

Lôjikan’ny nahazoany isam-bato betsaka ka nahatongavany tamin’ny fihodinana faharoa ihany io toerana io. Ho mpanohitra amin’ny alalan’ny fanarahan-dalàna izahay, hoy ity kandidà nanohitra ny voka-pifidianana ity nefa milaza ny ho eny Mahamasina hanatrika ny fametrahana amin’ny toerany ny filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika fahefatra, Hery Rajaonarimampianina, fa tsy mpanohitra hitarika olona hidina an-dalambe izay tsy nahitana vahaolana nandritra ny dimy taona izay. Ambarako etoana, hoy i Dr Robinson Jean Louis nandritra ity fivoriana teny Ambohimiandra ity, ary mbola ho hamafisiko rahampitso eny Mahamasina fa anisan’ny fepetra voalohany hanekenay ny fisokafana raha hisy ny fisokafana ataon’i Hery Rajaonarimampianina ny famoahana izao dia izao an’ireo gadra politika, mbola misy 23 ankehitriny. Araka ny fanazavan’i Constant Raveloson, anisan’ireo niatrika ity fihaonana teny Ambohimiandra ity, dia nanitrikitrika ny hamohana ireo haino aman-jery nakatona sy ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana i Dr Robinson Jean Louis. Teny Ambohimiandra nandray tamin’ity fivoriana hananganana ny Komity nasionalin’ny mpanohitra ity i Lahiniriko Jean sy Rabeharisoa Saraha Georget, izay samy kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany fa tsy lany. Manana sata manokana ny mpanohitra, araka ny lalàmpanorenan’ny Repoblika fahefatra. Mitovy laharana amin’ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena izy araka ny arofenitra.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT