Ny sabotsy teo no andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny mpanjifa ka nankalaza izany ny RNDC (Réseau National pour la Défense des Consommateurs) izay tarihin-dRabetsara Lita na Ralita, tetsy amin’ny minisiteran’ny toekarena tetsy Anosy.
Valandresaka narahana adihevitra no notanterahana tamin’io andro io, izay namoahan’ireo nandray anjara ny heviny. Saika nifantoka tany amin’ny tsy fanomezan’ny fanjakana hasiny ny zon’ny mpanjifa hatrany ny resak’izay nandray fitenenana, ary nivoitra tanteraka tamin’izany ny mahakasika fitaterana sy ny vidin’entana izay tsy mitsaha-midangana. Nambaran-dRalita na Rabetsara Lita anefa fa efa nisy ny fihaonana nataon’izy ireo tamin’ny tompon’andraiki-panjakana, nitaterana ireo hetaheta maro samihafa azo tamin’ ny mpanjifa isan-tsokajiny. Nanamafy, araka izany, ny tenany fa hiady mafy ny RNDC amin’ny fangatahana ny hametrahana minisitera natokana ho an’ny fanjifana mba handray an-tanana ny olana mianjady amin’ny mpanjifa sy hiahy ary hiaro ny zon’ny mpanjifa eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.