Feno 47 taona omaly ny nahatsiarovana ny tolon’ny 13 mey 1972. Toy ny isan-taona dia nisy ny fanateram-boninkazo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely.
Anisan’ny tonga teny an-toerana nanatontosa ny adidiny ny avy eo anivon’ny hetsika politika rodoben’ny Malagasy tia tanindrazana ho an’ny fanorenana ifotony na ny RMTF sy ny antoko politika Manda ho an’ny firaisankinam-pirenena. Tsy mbola avotra i Madagasikara ary mbola mitohy ny tolona. Mbola ilaina hitolomana ny famerenana ny fihavanana, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny fanjanahana, hoy ny mpanao politika, Edouard Tsarahame. Tsy tomombana ihany koa, hoy ny avy eo anivon’ny Manda ho an’ny firaisankinam-pirenena ny zavatra notakian’ireo raiamandreny teo aloha. Iza no sahy miteny fa efa afaka na mandroso i Madagasikara ? Tsy mbola misitraka ny harem-pireneny ny Malagasy, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.