Politique

RMDM Toliara “Omeo fahefana feno ny Fokonolona”


  • Alarobia 13 Mey 2020

Be loatra ny tsy fandriampahalemana ao atsimo ao amin’izao fotoana izao, raha ny nambaran’ny rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia na RMDM Toliara tetsy Bel’air omaly.

 

 

 

 

 

Iaraha-mahalala, ohatra, ny mikasika ny tany mirefy 60.000ha ny halatr’omby miharo vono olona any Ambovombe Androy. Mamono olona toy izany koa ny tazomoka, hoy ny filoha lefitra, Tsarahame Edouard. 21 ny distrika any Toliara ary samy hitrangana fandrobana sy fanafihana ary misy fakana an-keriny ihany koa. Omby miisa 6000 no nalain’ireo tao amin’ny distrikan’Ambovombe ary na niha lefilefy aza izay tsy fandriampahalemana izay dia niverina nirongatra indray taorian’io. Tao Ampanihy. Tao Bekily vao ny 6 mey teo, olona miantsena no voatafika. Toy ny mamono akoho ny mamono olona any Atsimo. Efa voaroba no mbola voadoro ny tafon-trano miisa 100 tao Ambovobe, hoy hatrany ny RMDM Toliara. Ny tianay hamafisina, hoy izy ireo, dia tsy misy olona afaka hahavita tena samirery fa ny mpitondra antsika dia miheritreritra ny hahavita io fandriampahalemana io samirery. Manoso-kevitra, noho izany, ny RMDM Toliara ny amin’ny tokony hanamafisana ny dina. Raha tsy ny fahefam-pokonolona no omena feno dia tsy hisy zavatra hanjary. Tokony hanampy ny mpitandro filaminana ny fokonolona, hoy hatrany ny fanazavan’ireo, sa ve misy zavatra miafina ambadik’izay?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT