Politique

RMDM sy antenimierandoholona Nidinika momba ny lalàna mifehy ny mpanohitra


  • Alarobia 24 Jona 2020

Nidinika momba ny lalàna mifehy ny mpanohitra amin’ny teo anivon’ny antenimierandoholona omaly ry zareo avy eo anivon’ny rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM.

 

 

 

 Manalasala, hoy ny mpitarika ny delegasionina, ny Pasitera Edouard Tsarahame, hoe maninona no miisa 2 ilay lalàna? Avy aiza ilay iray ary inona no dikany sy tanjona aminy? Araka ny fanazavan’ny mpahay lalana iraisampirenena, Arlette Ramaroson, dia firenena tsy misy demokrasia no tsy misy mpanohitra ary mety hivadika fanjakana firehana tokana na “directoire” izany. Ao anatin’ny lalampanorenana anefa ilay tokony hisiana mpanohitra eto amintsika. Ny lalana mivoaka rehetra ka tsy mifanaraka amin’io dia fandikan-dalàna, hoy ny fanazavana. Misy filaharany ny lalàna. Voalohany ny lalampanorenana. Faharoa, ny atao hoe “bloc constitutionnel”. Fahatelo ny lalàna fehizoro na “loi organique”. Manaraka izay ny lalàna mahazatra na “ordinaire”. Tsy afaka manao taingim-bozona ny lalampanorenana na “constitution” ny “loi ordinaire”. Ka na inona na inona lazain’ny HCC satria misy milaza fa tolo-kevitra na “avis” avy aminy io dia iray ihany no asan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana. Mandray ilay lalàna sy mampifandray izany amin’ny lalampanorenana ka rehefa tsy mifanaraka ireo dia fanitsakitsahana lalampanorenana, hoy hatrany izy ireo no dikan’izany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT