Politique

RMDM Nosy be “Avelao ho an’ny vahoakan’i Nosy be i Nosy be”


  • Alarobia 24 Aogositra 2022

Mitohy ny ady amin’ny famoahana ny mpiara-mitolona aminay, Ninie Donie, hoy ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara ao Nosy be, Kamisy Odon.

Tsy mitombona ny fiampangana, hoy izy. Raha fikambanan-dahalo, maninona no tsy nosakana hatrany am-boalohany? Mbola any am-ponja izy hatreto ary tsy salama. Mamely daholo ny tosidra, ny goty. Voalaza fa fitaratr’i Madagasikara i Nosy Be saingy tsy arakaraky ny lazany tamin’ny andron’i Dada no iainany ankehitriny. Tamin’izany sahafa no nividianana akoho fakana nofo. Amin’izao tena lavitra be an’izany. Tsy mijery afa-tsy ny tombontsoany tsinona ny fitondrana ankehitriny. Tonga ny vazaha mpizahantany fa mijanona ao amin’ireo hotely vaventy ihany fa tsy misy mipaka aty amin’ny vahoaka mpihary madinika izany. Ny hafatra tianay ampitaina amin’ny fitondrana dia hoe avelao I Nosy be ho an’ny vahoakan’i Nosy be. Aza omena ny karana sy sinoa na vahiny ny tany ao Nosy be! Raha hamorona asa ho an’ny mponina moa izy ireo maninona fa ny vahoakan’i Nosy be izao dia tompony mangataka atiny. Potika tanteraka ny orinasa tokony hiasan’ny mponina. Ohatra amin’izany ny Pêcherie, Sirama, ireo orinasa maha Nosy be an’I Nosy be. Vahoaka tsy an’asa izao no fiantraikany ary miaina fijaliana, hoy hatrany ny RMDM Nosy be.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny RMDM Nosy bea
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT