Miharihary ny ramatahora nampanaovina ny mpitondra ary tena nisy fiantraikany tanteraka amin’ny toe-tsain’ny vahoaka, hita taratra tanteraka izany tany Antsirabe tamin’ny hetsika ny RMDM,
hoy ity vovonana politika ity. Raha ny zava- nisy anefa dia hita taratra tao Antsirabe ny fahavononan’ny vahoaka saingy very fanahy mbola velona ry zareo noho ny ramatahora nataon’ny mpitondra, raha ny fanamarihana. Amin’ny mpanohitra, hiaro ny vahoaka sy ny fananany no tarigetra sy filamatry ny mpitandro filaminana saingy ny fanenjehina ny mpanohitra no terena ho asa ataony ho setrin’ny fanakaramanan’ny vahoaka azy izao. Mibaribary ny jadona misy eto Madagasikara, ary hita tao Antsirabe fa nameno ny tanàna ny mpitandro filaminana noho ny fanehoan-kevitra nokasain’ny mpanohitra natao, ny dahalo, ny famoahana ny harem-pirenena sy ny fanaovana tantely afa- drakotra anefa tsy tena hita ny mpitandro ny filaminana malagasy fa rehefa ny mpanohitra no haneho hevitra feno ny tanàna, hoy izy ireo. Manotany tena ny vahoka hoe : rahoviana ihany ny mpitandro ny filaminana Malagasy no haverina sy hiverina amin’ny asa nekeny sy nanaovany fihanihanana? hoy ny mpanohitra. Tsy misomonga ny mpitondra amin’ny famoahana ny mpitandro filaminana hatao herim-pamoretana amina hetsika politika mety hiseho. Ny zava-misy, tarafina amin’ny fiainana ara-tsosialy, ny tsikera mivaivay eny amin’ny tambajotran-tserasera, ny tsy fahombiazana ara-pitantanana,… dia samy ahatarafana fahatezeram-bahoaka, saingy mbola voasakana amin’ny alalan’ny fandrangarana hery aloha ny hisehoan’izany amin’ny alalan’ny hetsika na famoriam-bahoaka ara-politika hatreto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.