Politique

RMDM Hiantso hetsika lehibe aorian’ny fihibohana


  • Talata 11 Aogositra 2020

Ny RMDM sy ny mpanohitra rehetra, dia manameloka ny tsy fisian’ny demokrasia sy ny tsy fanajana ny zon’olombelona sy ny tany tsy tan-dalàna nodradradrain’ny mpitondra ankehitriny nakana fahefana.

 

 

 

Manameloka ny fampiasana ny fitsarana ny fitsarana sy ny foloalindahy ho amin’ny tombotsoan’ny mpitondra mba hanaovana herim-pamoretana. Mitaky tsy misy fepetra ny fanalalahana ny asa fanaovan-gazety sy ny fahafahan’ny mpanohitra maneho hevitra amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Miantso hetsika lehibe ny mpanohitra aorian’ny fihibohana, hoy ny Fehin-kevitry ny Fikaonan-dohan’ny RMDM na ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara omaly teny Bel’Air. Mahatsapa fa fihanaka sy fitomboan’ny isan’ny maty amin’ny faritra 21/22, misy ny tsy fahaiza-mitarika sy tsy fanomezana ohatra amin’ny fanajana ny fepetra, izay ny governemanta ihany no nametraka an’izany. Misy ny tsy fahaiza-mitantana sy mandrindra, hoy ny RMDM. Naneho ahiahy amin’ny fampidirana politika be loatra amin’ny fitantanana ny krizy ara-pahasalamana, ary ny tsy fanomezana toerana ny minisiteran’ny fahasalamana sy ireo teknisianina. Manao antso avo hananganana komity siantifika hivondronan’ireo manampahaizana manokana momba ny fahasalamana ny mpanohitra. Mitotongana ny toekarena sy ny sosialy, ary ahiana ny fizorana any amin’ny fipoahana ara-tsosialy noho ny fahasahiranana satria tsy ampy ireo fepetra fanohanana ara-tsosialy. Mitombo haingana ny tahan’ny tsy an’asa, kanefa tsy manana paiakady mahomby hihatrehana ny fitotonganan’ny fiharian-karena andavanandro ny fanjakana. Notakiana ny fanomanana ny fikaonan-doha nasionaly momba ny fanarenana ara-toekarena ka tsy miandry fiafaran’ny krizy. Tsy vahaolana maharitra ny fanampiana ara-tsosialy, hoy ny Mpanohitra. Nanamafy ny tsy fisian’ny fangaraharahana amin’ny fitantanana ara-teknika sy ara-bola. Niantso ny fanjakana mba hijery indray ny paikady sy ny fepetra ara-toekarena miaraka amin’ny sehatra tsy miankina. Ara-politika, dia naneho fa tsy mankasitraka ny fanagadrana sy ny fanenjehana mpanao politika, mpanao gazety, olom-pirenena mitsikera.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT