Politique

RMDM Diaspora « Mba tsarao koa ireo dosie maloton’ny Fitondrana »


  • Alatsinainy 13 Jona 2022

Namoaka fanambarana eo anatrehan’ny fiantsoan'ny BIANCO an'Andriamatoa Rivo Rakotovao, filohan'ny Antenimierandoholona teo aloha no sady Filoha vonjimaika nandritra ny volana vitsivitsy araka ny voafaritry

ny lalàmpanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara ny RMDM Diaspora. « Ilaina ary angatahan'ny maro tokoa ny hisian'ny mangarahara, indrindra fa momba ny fitantanana sy fandaniana ny volam-panjakana…. Maro kosa anefa ireo raharaha goavana sy heverina fa maika, mahakasika ny fanararaotam-pahefana sy ny fanodikodinam-bola na fangalaram-bola mihintsy, izay eo am-pelatanan'ny BIANCO sy ny sampan-draharaha samihafa hatry ny fotoana elaela », hoy izy ireo. Tsy ahenoana akony intsony, hoy ny RMDM Diaspora, izay nampahatsiahy dosie miisa 13 izay ampahany ihany, mahakasika ny mpitondra ankehitriny ny ankamaroany, toy ny fanaovana amboletra mba hirosoan’ny fifidianana filohha ny 2018 na dia marobe aza ny tsy fahatomombanana notoherin’ny maro an’isa. Io no nahatonga ny fisian’ny hala-bato goavana, ary tsiahivina fa nanao filazana ofisialy ny filoha lefitry ny CENI mikasika izany, hoy ny fanambarana. Teo ny mbola nampiasana ihany ny lisi-pifidianana feno hosoka nandritra ny fifidianana taorian'ny taona 2018, ny tsy fanajana sy ny tsy nampiharana ny fanaraha-maso ny vola nampiasain'ireo kandida rehetra. Ny fandaniana ny volam-panjakana izay nozaraina tamin'ireo governora; fanodikodinam-bola momba ny resaka "bonbons-sucettes" sy "écrans plats" izay fangalaram-bola sy fanaparam-pahefana (abus de pouvoir) nataon'ny tompon’andraikitra ambony sy ny vadiny ; ny raharaha SMMC resaka kolikoly goavana tany amin’ny seranantsambon’i Toamasina; fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika nataon'ny vadin'ny mpitondra fanjakàna iray (abus de pouvoirs, détention illégale et utilisation d'arme de guerre). Ny fitantanana ny volam-panjakana fanampiana avy any ivelany natokana hisahanina sy hiadiana tamin’ny covid-19 ; ny fanondranana volamena73kg tany Afrika Atsimo, tany Comores, ny tany Seychelles ; ny fanodinana ny volan'ny CNAPS ; ny fividianana sy fanafarana ary fampidirana an-tsokosoko fitaovam-piadiana mahery vaika,… Azo atao tokoa ny manadihady ny fomba nitantanana ny Antenimierandoholona. Nilaza kosa ny RMDM Diaspora fa talanjona ny maro ankehitriny ary mametra-panontaniana hoe fa ahoana ny tohin’ireo raharaha rehetra hafa ireo ?
Legende: Nahoana moa no tsy misy tohiny mihitsy ny raharaha “bonbons sucettes” nahavoarohirohy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena tamin’ny 2020 ? (Tahirin-tsary)
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT