Rehefa misy ny tsy fahombiazana dia efa fomba fanao ny manova governemanta, hoy I Rivo Rakotovao Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha sady mpandrindra Nasionalin’ny Antoko HVM.
Amin’ny maha mpanohitra anay, dia ny ahy haveriko foana hoe: ny fitantanana ny firenena, rehefa mametraka ny tombotsoa ambonin’ny firenena ho laharam-pahamehana, tombotsoan’ny besinimaro, ka misy ny tsy fahombiazan’ny olona voatendry, dia fomba amam-panao ny manova minisitra na olom-boatendry samihafa. Miteny ny depiote, miteny ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ka hoy aho hoe: manana ny maro an’isa lavitra be ny Fitondrana amin’izao, hoy izy tao amina fahitalavitra iray omaly hariva. Fikorontanana ve izany sa fahatongavan-tsaina? Ny fifanarahana ilazana fa misy tsy mandeha tokoa, dia ny farany nihaino ny teninay ihany izany ireo maro an’isa hoe: jereo fa misy tsy mety sy tsy mandeha eto amin’ny firenena, hoy hatrany io Mpandrindra nasionalin’ny HVM io. Tsy efa ela ve ny Filoha no niresaka hoe misy tombana. Mbola tsy resy lahatra angamba ny Filoha sy izay olona afaka manapa-kevitra hoe: mety tokoa raha misy ny fanoloana olona, ary mbola tsy miresaka rafitra isika, hoy izy. Notsipihin’I Rivo Rakotovao kosa fa mampalahelo I Madagasikara raha tsy afaka manapa-kevitra ny Filoham-pirenena. Nametra-panontaniana izy hoe: voafatotr’iza izany ny filoha sanatrian’izany? Maninona no tsy manapa-kevitra dia misy filazana ho tsy afaka manapa-kevitra irery, tsy afaka manolo minisitra sasany, ka mampalahelo ny firenena raha izany, hoy I Rivo Rakotovao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.