Efa tamin’ny 2015 no fantatra fa hifarana ny taom-piasana, ary tsy mametraka
olana amin’izany raha olona vonona hanara-dalàna. Ny tsy eken’ny saina amin’ny maha mpitantana sy olom-pirenena, dia ny tsy fanarahan-dalàna tao anatiny, hoy ny Filohan’ny Antenimierandoholona Atoa Rivo Rakotovao. Tsy nandray anjara sy tsy nampandray anjara tamin’ny fifidianana. Ny tantara no hitsara, ary tsy azo kosehina amin’ny gaoma io. Filoha roa izahay no nifandimby teto, samy tao anatin’ny olona notendren’ny Filoha Rajaonarimampianina, fa aza adinoina. Tato aoriana izy lasa nirona tamina hevitra hafa. Sambany teo amin’ny tantara ny hoe lasa nisolo ny filoham-pirenena ny filohan’ny antenimierandoholona. Tato no tena nitadiavana ny tena fitoanian’ny Fanjakana. Ny mpanadroadro sy ireo entin’ny hevitra tsy mitovy mandà an’izany. Nambarany fa ny mpitondra ankehitriny aza no tokony hisaotra satria nahafahana nametraka ny fitoniana teto amin’ny firenena sy nahatongavan’izy ireo teo izany, saingy vao tonga ny 2019 dia nenjehina mafy ny HVM. Tsy mandray basy na hamoaka tanky eny amin’ny arabe ny HVM na resy aza, tsy ao anatin’ny soatoaviny izany, hoy i Rivo Rakotovao. Tsy isan’ny olona hamboly korontana eny an-dalambe. Hevitra izay maharesy lahatra ny vahoaka no entina, hoy izy, saingy resy. Nanahirana be ny taona 2020 ka irariana hihatsara kokoa ny 2021. Irariana hitodika amin’ny fijerena kokoa ny vahoaka ny Fanjakana, hoy i Rivo Rakotoavao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.