Na ny mpitantana na koa ny vahoaka dia samy manana fihetsem-pony amin` izao vanim-potoana manokana izao. Ilaina tokoa ny tsikera mba hahafahana manarina ny tsy mety rehetra.
Maro rahateo ny olom-pirenena no mitaky ny zo sy ny fahafahana maneho hevitra amim-pomba demokratika. Manamafy izany I Rivo Rakotovao, filohan` ny Antenimierandoholona, fa tsy azo tsindrina ny fahalalahana maneho hevitra ary tsy hahiboka ny demokrasia amin` izao fiatrehana ny vanim-potoana manokana izao. Mifampiakina sy mifameno ihany koa ny demokrasia sy ny fampandrosoana raha ny famaritana nataon` ny FISEMA. “Tsy misy fampandrosoana raha tsy misy demokrasia ary ny fampandrosoana dia enti-manatevina sy enti-manatsara ny demokrasia. Noho izany, ny fahatsaram-pitantanana, ny fangaraharahan’ny fitantanana sy ny fahaiza-mitsitsy no isan’ny fanalahidin’ny fahombiazana ho an’ny firenena marefo toa an’i Madagasikara.” Araka izany, mila ezaka goavana ny fitondrana amin’ny fanatsarana ny fitantanana ao anatin` ny mangarahara ny raharaham-pirenena, ary hitsitsy araka izay azo hatao ny volam-panjakana na izany avy amin’ny hetra na trosa, ary tokony ho fanta-bahoaka mba ialan’ny ahiahy sy ny fanararaotana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.