Politique

Rivo Rakotovao “Ny aza mba resy ihany”


  • Talata 29 Desambra 2020

Mavesatra. Izay no azo hamehezana ny fiainam-pirenena raha ny fahitan` ny

 

 

 

filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, tamin` ity taona 2020 ity. “Iza no hanampò tamin`ny herintaona toy izao hoe hisy aretina mandoza mora mifindra? Tsy nisy nieritreitra an` izany isika na ny tetibolam-panjakana taona 2020 aza dia tsy nanisy momba izany. Izao taona 2021 aza dia mbola sarotra no nametraka izany”. Maro ireo fanovàna tsy maintsy natao teo amin` ny fomba fitantanana ireo ahamehana, na ho an` ny mpitondra fanjakana izany na isam-batan`olona, hoy izy. “Nisy ny sakana be dia be amin`ny fiharian-karenan` olona sy ny fahazahoan` ny mahaolombelona azy. Isika aza hatramin` izao dia mbola mitampina ny orona sy ny vava noho izany aretina izany. Mavesatra izany”. Eo amin`ny toekarena dia nilaza ny Filoha Rakotovao fa tsy maintsy nisy fiantraikany. Betsaka ny fanampiana nomen` ny mpiara-miombon`antoka tsy nieritreretina tamin` ny herintaona toy izao, hoy izy. Teo amin`ny fanmpiana sy tosika samihafa no betsaka ny lesoka sy ny menomenona. “Tokony mikipy sy manaiky diso ny fanjakana raha mieritreritra fa fanakiana na no be dia be. Betsaka ireo faritra tsy nahazo. Maro ihany koa ireo very asa. Tsy nisy kosa resaka fiahiana resaka fanafody. Mila fandrindràna izany ary mila mihaino satria izany no ahahafana miroso amin`ny fifandimbisam-pahefana”. Nitondra ny heviny kosa izy mahakasika ny tontolo politika tamin`ity taona ity. Aza mba resy ihany, hoy izy, ary izay no maha mpanoa politika amin` ny mpanao politika. “Matoa mandresy dia misy antony. Anjaranao no mandray lesona sy mitondra ny tanjaka sy ny hery ahafahana mihoatra” hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT