Maro no niandry sy nanongilan-tsofina nanaraka ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8FM omaly na teto an-tanindrazana na hatrany ampitan-dRanomasina tamin’ny alalan’ny tranonkala https://www.radioking.com/radio/topradio-102-8?redirect nihaino ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao, ary filoha nasionalin’ny Antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) teo aloha omaly. Anisan’ny antoko mbola tanora ny HVM ny taonany izay 5 taona izao, fa nandray anjara feno tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna, loholona, filoham-pirenena, ary manana ny paikadiny amin’izao fifidianana depiote izao.
Manaiky ny fifandimbiasana ara-demokratika, ary tsy fahanginana ara-politika ny azy ireo amin’izao, fa tena mbola mijoro saingy mandini-tena hoe: inona no tokony hatao ? Nisy namana, hoy izy, nanome tsiny hoe: ohatr’izao raha nanohana olona tamin’ny fihodinana faharoa, dia tafiditra tao anaty fanjakana, saingy tsy any ny lalana ho an’ny HVM. Maro ny zavatra nezahin’ny fanjakana HVM natao ary mitohy amin’izao fanjakana izao toy ny lalana, fanomezana rano any Atsimo, ny fanitarana ny seranam-piaramanidina Antananarivo sy Tolagnaro,... Ho reharehan’ny rehetra ireny, ka nezahinay tsy hopotehina tao anatin’ilay 4 volana nitondrana ka nezahina ny tsy hisian’ny korontana na nisy nilaza aza hoe : nahoana no tsy nangalatra ? Nahoana no tsy nanova lalàmpanorenana nahafahana nijanona teo ? Latsaka be ny firenena tamin’ny 2013 nandraisana ny fitondrana, ka nijoroana ny tsy hamerina ny firenena any anatin’ny kizo, toy ny efa natao teto, raha ny fanehoan-kevitr’Atoa Rivo Rakotovao. Raha tsy nisy fandeferana dia niverina tamin’ny gidragidra sy faty olona, ary mety ho tombony ho azy satria mety afaka nijanona teo herintaona na mahery ny HVM. Nankasitraka ny nisian’ny fandeferana ny tenany. Mikasika ny resaka novoizina momba ny fanafoanana ny antenimierandoholona sy ny fiketrehana ny fanonganana azy tsy ho filohan’io andrim-panjakana io kosa, dia 0,04% amin’ny tetibola ankapoben’ny fanjakana no aompana amin’ny fampihodinana io andrim-panjakana io. Tsy naheno intsony an’izay resaka izay, fa tao anatin’ny fotoanan’ny propagandy. Nazava tsara ary azon’ny HVM sy notakiany mihitsy aza ny nidirany tao satria hametra-pialana ny filoha, hoy Atoa Rivo Rakotovao. Namana daholo ireo loholona ireo, ka asaivo manangan-tanana izay tsy manaiky sy hilaza fa tsy niombon-kevitra tamin’io, hoy izy. Misy ireo loholona notendren’ny filoha kanefa afaka nijoro tany amin’ny hafa na dia ny filohanao izao no kandida. Azo natao ny nanongana sy nanala an’ireny fa tsy natao. Amin’izao fotoana izao, dia misy tokoa ny mikononkonona ka ho hita eo izay maro an’isa raha ho tonga amin’izay tokoa, hoy ny tenany, izay manamafy fa ara-dalàna ny fipetrahany eo.
Toky R sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.