Politique

Rivo Rakotovao Nahazo ny hafatra avy amin’ny filohan’ny HCC


  • Zoma 13 Novambra 2020

Naneho ny heviny momba ny tsy fivorian’ny antenimierandoholona noho ny tsy fisian’ny vola hoenti-miasa na koa ny olan’ny ara-bolan’ny antenimieram-pirenena ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Atoa Jean Eric Rakotoarisoa omaly, nandritra ny fitokanana ny trano vaovao iasan’ny mpiasan’ny HCC.

 

 

 

 Nokianiny mafy ny andrim-panjakana tarihin’Atoa Rivo Rakotovao, ary toa voakasika kely ihany koa ny an-dRtoa Christine Razanamahasoa. Izaho manantena hoe mba mandeha am-pahendrena ny zava-drehetra amin’ny adidy sy ny andraikitry ny parlemanta. Mazava ny voalazan’ny lalàmpanorenana hoe fotoam-pivorian’ny parlemanta izao, dia antenimieram-pirenena sy ny antenimierandoholona. Ny dikan’izay dia tokony manao ny asa satria izay no nandaniana azy, izay no nifidianan’ny mpifidy azy. Samy manana olana ara-bola angaha ny antenimiera roa, kanefa izany zavatra izany tsy tokony hanakana ny asa. Izahay ihany koa mba nanana ny fahasahirananay tamin’ny fifidianana, tahaka ny tamin’ny Filoham-pirenena izay tara be ny tetibola vao navoaka, fa izahay tsy nanao mihitsy ary tsy niteny hoe tsy hanao fifidianana raha tsy tonga ny volanay. Atao ny adihevitra hoe tonga mivory dia atao ilay izy. Mba jerena ihany hoe raharaham-pirenena ilay izy fa tsy zavatra. Mety misy ny olana ara-bola sy ara-teknika izay tsy fantatro izay antony any, fa ho anay dia izahay tsy mba nanao mihitsy “chantage”, fa adidy apetraka aminao dia ataonao, hoy Atoa Jean Eric Rakotoarisoa. Efa nivaly nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny alarobia teo ny fangatahan’ny antenimieram-pirenena raha vantany vao nanangam-bovona ny depiote. Tsy noraharahiana kosa ny antenimierandoholona na voafaritry ny lalàna aza ny tetibola hiasan’ny andrim-panjakana, saingy nokatsanana avy hatrany fa hoe nalefa any amin’ny kere. Ny an’ny HCC tetibola efa mazava fa tsy maintsy ho azo, fa tara fa ny an’ny loholona hafa mihitsy. Ara-dalàna ve ny fanakatsanana tetibolana andrim-panjakana efa voasoratra mazava ao anaty lalàna nolaniana ?

 

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT