Mbola mizaka ny fiantraikany ny krizy ara-pahasalamana I Madagasikara ary mipaka mivantana
eo amin`ny toekarena sy ara-tsosialy. Tokony ataon`ny fanjakana laharamapahamena ny tombon-tsoan`ny firenena , hoy Rivo Rakotovao, filohan`ny Antenimierandoholona. “Averintsika fa nitondra namela takaitra sy fery mbola tsy nikatona ny valanaretina COVID-19 raha ny fiharikarena fotsiny noresahina. Raha tsiahivina, nisy ireo mpikambana eo anivon` ny CNaPS izay afaka nisitraka ireny fampindramam-bolan` ny CNaPS ireny. Tonga izao ny fotoana hamerenana izany. Misy amin`izy ireo anefa ny orinasany mbola mikatona. Dia ahoana no ataony? Misy ireo orinasa nahemotra ny fandoavana hetra. Hatramin` izao mbola tsy niodina ny fiharikarena? Tsy maintsy mifampijery ny fanjakana. Marihana fa ny fanjakana no nandray ny fanampiana ho an`ny vahoaka fa tsy ny mpamatsy vola akory no nizara izany. Nozairana ara-darirny ve izany? Tontossa ve izany? Miakatra aloha ny vidim-piainana ary mitontongana ny vola Malagasy. Izany no nitakiana ny mangarahara tamin`ny LFI 2021. Misy ireo fanamby napetrakin`ny filoham-pirenena ka ho tanteraka tokoa izany ary hamonjy ny vahoaka indrindra amin`ny sosialy” hoy ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.