Politique

Rivo Rakotovao Miantso ny Praiminisitra mba hanara-dalàna


  • Alarobia 02 Septambra 2020

Gaga sy talanjona aho satria ny tatitra ny tatitra sy ny fitanana an-tsoratry ny fivoriana indroa miantoana nataon’ny antenimierandoholona sy antenimieram-pirenena androany vao vita, hoy ny Filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao.

 

 

Mahakasika ny tolo-dalàna 001/2020 momba ny antenimieradoholona, ny fitsapankevi-bahoaka, ary ny harena an-kibon’ny tany io.   Ny taratasy nalefan’ny Praiminisitra ho an’ny antenimieram-pirenena anefa, dia hoe noho ny tatitra voaray omaly, izay nahazo dika mitovy ny Filoham-pirenena, Filohan’ny antenimierandoholona, Filohan’ny HCC, hoy ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao omaly. Tao amin’ny antenimierandoholona no nanao ilay izy, ka inona izany ny marina satria androany vao vita ilay tatitra kanefa ny Praiminisitra dia efa omaly no miresaka fa naharay tatitra? Hoy izy. Aleo mba manara-dalàna fa isika no fitaratra amin’ny maha filohana andrim-panjakana, hoy I Rivo Rakotovao, ary androany ny fitanana an-tsoratra no nalefa ny tatitra ofisialy na samy nanao tatitra tamin’ny mpanao gazety aza. Ny tatitra ofisialy dia izay nivoaka tamin’ny asam-baomera. Inona izany no lazain’ny Praiminisitra omaly kanefa ny tatitra aza androany vao vita? Miazakazaka mianjera ve? Fa maninona no makany amin’ny tsy ara-dalàna? Izaho dia hamaly ny taratasin’ny Praiminisitra hoe mba jereo fa tsy ara-dalàna. Marina hoe misy ny rariny sy ny hitsiny fa ity dia tena tsy ara-dalàna ny zavatra terana hasisika sy hatao ka tsy maninona no miaiky ny fahadisoana, hoy I Rivo Rakotovao. Adidiko ny miresaka amin’ny Praiminisitra hijery ny zavatra tsy mifanaraka. Ny fanapahan-kevitra tokony horaisiny dia rehefa mahazo tatitry ny fanapahan-kevitra raisin’ilay vaomiera, fa tsy hoe tatitra avy amin’ny parlemantera, hoy I Rivo Rakotovao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT