Politique

Rivo Rakotovao Mety ho sahirana atsy ho atsy...


  • Alarobia 28 Oktobra 2020

Berija, Rolly Mercia, Claudine Razaimamonjy, Mbola Rajaonah sy ny maro hafa, tratry ny haza lambo ireo mpiaradia tamin’ny fitondran’ny Hery vaovao ho an’I Madagasikara (HVM), raha ny fahitan'ny mpanara-baovao azy aloha.

 

 

Maha lasa saina ihany na izany aza hoe raha solafaka tokoa, sanatria izy ireo, moa ve ry zareo irery no diso teto ? Ny tompon’andraikitra teo anivon’ny minisiteran’ny serasera teo aloha, Nivo Ratiarison, moa iny efa nidoboka 5 taona mahery an-tranomaizina fa etsy an-kilany dia efa voaenjika koa ny minisitry ny serasera tamin’izany Vonison Andrianjato. Ankoatr’ireo nidoboka voalaza tetsy ambony dia ataon'ny gazety sasany tsianjery isaky ny mihetsika koa ankehitriny ny momba ny minisitry ny mponina teo aloha, Onitiana Realy, izay sady talen'ny fampielezan-kevitry ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina. Manara-dia azy ao ny vadiny, Briand Andrianirina. Farany teo izao dia niaraha-naheno koa ny nanjo ny sekretera jeneralin’ny paositra teo aloha. Iaraha-mahita ankehitriny ny zava-misy ao amin’ny antenimieran-doholona izay ahitana maro an’isa HVM. Nolazaina fa nanampiana ny kere any atsimo ny tetibolany. Tena tsy misy tetibola hafa voatokana amin’izany tokoa ve? Angaha moa vao tamin’ity taona ity no nisy Kere? Andro vitsivitsy koa izay dia saika nitohivakana ny fanenjehana ny mpanolotsain’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Raobelina, saingy mbola nangingina indray moa tato ho ato. Eo no mipetraka ny ahiahy hoe mety ho sahirana koa izany atsy ho atsy ny filohan’ny antenimieran-doholona ankehitriny, Rivo Rakotovao, indrindra rehefa tsy eo amin’io toerany io intsony .Izy , izay efa nivaky moa hoe marary anay izao atao anay izao. Ity farany rahateo izay tsikaritra ho nasiaka fanehoan-kevitra tato ho ato ka ho hita eo hoe hitohy mandram-pahoviana ity tsimbalivaly politika tsy nitondra afa-tsy savorovoro sy fahantrana ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT