Politique

Rivo Rakotovao « Manomana ny fifidianana 2023 ny HVM »


  • Alakamisy 31 Desambra 2020

Ny hoavin` ny antoko Hery Vaovaon`i Madagasikara, ny jery todika eo amin` ny

 

 

 

fitantanana raharaham-pirenena tamin` ny taona 2020, ny fifandraisan` ny HVM sy ny TIM, fanontaniana manitikitika ny maro ireo no nanasan`ny Gazety Tia Tanindrazana an`Atoa Rivo Rakotovao, izay filohan` ny Antenimierandoholona no sady mpikambana eo anivon` ny antoko HVM, raha misy zavatra azony ambara mikasika izany.

Tia Tanindrazana (TT): Efa akaiky hifarana ny fotoam-piasanao andriamatoa filoha, ny Antenimierandoholona no hany sisa andrimpanjakana nanjakan` ny antoko HVM, ka ahoana ny hoavin` ity antoko ity ?

Rivo Rakotovao (RR) : Ny politika miaina. Mijery ny tontolo iainana ary mijery izay misy azy . Ny HVM, efa hatramin` ny faran`ny taona 2018 no nanao fanambarana fa tsy miandany amina kandidà filoham-pirenena. Ary taty aoriana koa dia miaraka amin` ny mpanohitra. Tsy ilay olona akory fa ny firehan-kevitra sy ny fomba hitantanana ny firenena no tsy itovizana. Mpanohitra ianao izany satria mpanao politika. Zonao izany, ary avelan` ny lalàna izany. Diso hevitra ny olona mieritreritra fa tsy tokony hisy fanakianana sy tsy tokony hisy mpanohitra. Na ireo lalàna mifehy antsika toy ny lalàmpanorenana sy ireo lalàna samihafa aza dia manambara ny anjara toeran` ny mpanohitra . Izay no asany ary mpanohitra ny antoko HVM izany.

TT: Nandritra ny lahateniny farany teo dia nanambara ny filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina fa aoka izay ny atao hoe “chasse aux sorcières”. Ahoana ny fahitanao izany ?

 RR: Tena marina izany. Tsy izy irery amin` ny maha lehiben` ny HVM azy fa io mihitsy no toerana misy ny HVM ankehitriny. Izahay dia mitaky tany tan-dalàna ary samy mitaky an`izany daholo ny rehetra saingy misy fomba hanehoana izany. Tsy midika fa tsy misy olona tsy azo kihanina intsony eto amin`ny firenena raha manao zavatra tsy ara-dalàna fa ny elanelana be dia be. Efa hitan` ny olona fa ilay olona tsy mitovy hevitra aminao foana no ampidirina any am-ponja fa ny olonao dia jerenao fotsiny ka mba manahirana izany. Na ireo mpiara-miombon` antoka dia mahatsapa izany. Jereo tsara ny valintenin` ny depiote tamin` ny resaka Fitsarana Avo (HCJ), tsy mandà izy ireo fa mba tazany kosa hoe “ireto ihany ve?”. Izany dia tsy manameloka am-boalohany fa farafaharatsiny sokafana ny fanadihadiana momba izany. Manome ohatra aho, resaka “cybercrimininalité”: Efa ho valo volana izay ny Filoha Ravalomanana sy ny tenako no nisy nandoto tamin` ny fesiboky. Ny momba ahy dia nolazaina fa hanongam-panjakana aho sy ny talen`ny kabinetrako ary ny minisitry ny fiarovam-pirenena teo aloha, Jeneraly Xavier Béni. Nivoaka tamin` ny tambajotra serasera izany ka nitory izahay nefa hatramin` izao tsy misy tohiny. Izany dia tsy manahy izay henjehina fa azy no mitsara izany nefa kosa tsara koa ve izany? Ho an` ny Filoha Ravalomanana dia nitory izy fa nisy nangalatra ny soniany ka nisy namoaka tamin` ny fesiboky izany ho fanambarana. Tsy misy intsony ny tohiny amin`ireo zavatra samihafa. Alaim-panahy ny olona hoe lasa fitsarana ara-politika ve izany ilay izy? Milaza izao ny gazety manohana fitondrana fa tsy politika io fa  tany tan-dalàna ny eto. Dia ataovy mitovy amin`izay ary ilay izy. Izay no nahatonga ny Filoha Rajaonarimampianina nilaza fa mba ampy kosa izay ny fanenjehana fa tsy nanao izany poltika izany izy satria isika nametraka ny fitoniana maharitra. Rehefa hitan` ny olona kosa fa misy fitongilanana dia sahirana ny olona mijery izany.

TT: Ahoana kosa ny momba ny fitantanana raharaham-pirenena tamin` ny taona 2020 ? Ary ahoana ny fahitanao ny taona 2021 ho avy io ?

RR: Nikorontana ihany ny fitantanana tamin` ny taona 2020 kanefa tsy natory koa ny fanjakana saingy izay no zava-nisy. Tsy voarindra tsara hoe iza no laharampahamehana. Tsy mizy hoe ifanomezan-tsiny,  nefa kosa azony natao ny nihaino. Niditra ihany ny fanjakana amin`ireo lafiny noeritreretin` ny olona fa tsy laharampahamena ao anatin` ny fahasahiranana. Inona no laharampahamehana ho an`ny olona? Ny fahasalamana, ny antom-pivelomana, ny olona tsy mahazo mivoaka ny trano, sns… Tsy laharampahamehana ho azy ireo fotodrafitrasa samihafa napetraky  ny fanjakana. Izany tsy milaza hoe tsisy laharampahamehana fa misy ihany. Averiko hatrany fa mety manahirana ny olona no mahare izany. Androany isika 2020 dia Miami. Manahirana no mihaino izany fa maninona raha natao hoe Toamasina mamirapiratra ohatra. Toy ny ankizy manao “copie” fotsiny. Fa mino aho raha midina any ny mpitondra mihaino ary te hihaino tokoa dia mahafantatra fa tsy izany ilay izy. Izay no manahirana ahy tamin` ny tetibolam-panjakana 2021, mbola betsaka ihany ireo sehatra tsy fantatra ampiasaina ny vola. Hanamboarana Palais de la Reine sy Colisée ve? Sa ve hanao « subvention » amin’ny fanafody ? Tsy misy mahafantatra fa dia hoe tazonina ilay vola dia ho hita eo. Enga anie ny fanjakana hiezaka amin`izay hananany amin`ity taona 2021 ity. Milaza izy fa 4,2% ny taham-pitomboan’ny harinkarena faobe (PIB). Ezaka be izany saingy enga anie mba tena hifanojo amin` ny vahoaka. Sarotra aloha ny mitondra e.

TT: Ny antoko HVM amin` ny fifidianana filoham-pirenena 2023. Inona ny paikady? Ianareo ihany koa tsy manana olom-boafidy?

 RR: Efa miomana. Ahoana no hipoitran’ilay olona moa ? Te ho any am-pigadràna ? Nipoitra ny sasany tamin` ny 2014 satria tsy nanana fomba fijery izany izahay. Tonga dia nahasahy niseho ary nilaza izay heviny ny rehetra. Na any amin`ny hevitra diso sy fampiharana lainga sy herisetra dia tsy nanao izahay. Mety fahalemena izany fa ho an` ny Filoha Hery Rajaonarimampianina dia mazava: “anaty krizy politika isika ka aleo tsy hanenjika ny mpitondra teo aloha fa malalaka”. Milaza ianao fa ianareo tsy manana olom-boafidy. Nangataka tsodrano izy ireo ary nilaza mihitsy fa ianareo tsy maharo anay. Ary marina izany. Aiza tokoa moa no hiarovako anareo amin`izao herisetra entin` ny fanjakana izao ?

 TT: Toa mifanaraka indray ny antoko Tiako i Madagasikara sy ny Hery Vaovaon`i Madagasikara, kanefa dia nifanenjika teo aloha?

RR: Izahay tsy manenjika an` iza n`iza izany. Ny antoko TIM no niaraka tamin` ny TGV ny taona 2018. Anjarany no mieritreritra. Miaraka ankehitriny anatin` ny fanoherana satria ny HVM dia manolo-tanana foana. Anjaran`ny TIM no mieritreritra hoe nitondra nankaiza ny fiarahana tamin`ny 2018 sy ny lalana hizorany avy eo. Izahay kosa tsy mbola very tamin`ny lalanay. Izahay dia efa miomana amin`ny 2023. Tsy manana olom-boafidy izahay, misy antony. Tsy nandray anjara tamin` ny fifidianana loholona, misy antony iny. Betsaka ny depiote sy ben` ny tanàna izay maherin` ny 600 tamin` ny fotoanandrony. Mbola betsaka izy ireo no lany ary tsy IRD no nahavoafidy azy ireo. Izy ireo no mandamina ny fiarahamonina. Efa nisy amin` izy ireo moa no nanambara hoe aleo aloha izay hanao adidy fa rehefa tonga ny antso, tsy ireo ihany no olona ao e.

TT: Afaka manao tatitra fohy amin` ny maha filohan` ny Antenimierandoholona ve ianao satria hifarana afaka telo herinandro ny fotoam-piasananao ?

 RR: Miralahy mianaka izahay teto no filoha. Ny zavatra lehibe vita, izay namaivanin` ny olona anefa, fa ny asan` ny andraikitra noraisin` ny Antenimierandoholona tamin` ny taona 2018 dia ngeza. Lehibe dia lehibe ny fitazomana ny fitoniana. Azo raisina ohatra ny zava-nisy tany amin`ny primatiora sy teny amin` ny Antenimieram-pirenena tamin` izany. Lehibe izany tamin`ny zavatra rehetra izay natao. Havoaka ihany moa ny tatitra rehefa tonga ny fotoana fa nampiseho izay andrimpanjakana ho an`ny fitoniana ny Antenimierandoholona. Farafaharatsiny tamin` ny 2019, ny nanomezana ny Filoham-pirenena ny “pouvoir de légiférer”. Raha politka fotsiny no noresahina teto dia inona moa no hanomezanay azy izany ? Tsiahivina fa ny didy hitsivolana voalohany noraisin`ny filoha Rajoelina dia ny fandravàna ny Antenimierandoholona sy ny tsy fanomezana vola ho azy. Teo vao samy taitra fa hay ve izany tsy nankany amin`ilay fitoniana ny fitondram-panjakana fa mankany amin` ilay fanenjehana ? Inona ary no fanazavanao an`ilay tsy fitiavana Antenimierandoholona ? Rehefa mahita ianao dia mihazakazaka miditra ao anatiny indray. Ny olona izany no tsy tiany. Izahay koa izany afaka nanao hoe tsy tianay ianareo dia afaka tsy nomenay iny fahefana feno iny izy. Ny tiako hahatongavana izany dia izahay tsy nampiasa an`ity andrimpanjakana ity na misy aza ny tsy fifankazahoana amin`ny hevitra. Izahay dia efa niteny hatrany fa tsy mitovy hevitra amin`ny Filoha Rajoelina na ny Filoha Ravalomanana tamin` ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa. Resy izahay dia nipetraka. Fa raha ny zava-misy hanenjehana ny Antenimierandoholona dia noho ilay hoe TIM sy HVM no ao anatiny ary tsy misy fanazavana ankoatra izay mihitsy.

 

 Marigny ANDRIANTSOAVA

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT