Politique

Rivo Rakotovao “Manala baraka ny firenena i Patrick Rajoelina”


  • Alarobia 25 Aogositra 2021

Nitondra hafatra mivaivay ho an’ny Minisitry ny raharaham-bahiny sady Lehiben’ny Diplaomasia Malagasy Atoa Patrick Rajoelina Atoa Rivo Rakotovao

 izay Filoham-panjakana mpisolo toerana teo aloha sady efa Filohan’ny antenimierandoholona, ary mpandrindra Nasionalin’ny HVM. Ilay hetsika politika nataon’ny TGV-MAPAR tany Paris ny faran’ny herinandro teo nahitana ity Minisitra ity no anton’io. Nataon’I Rivo Rakotovao tamin’ny teny vahiny ny fanehoan-keviny hita tamin’ny tambajotran-tserasera, izay azo adika malalaka amin’ny teny Malagasy tahaka izao: “Atoa Patrick Rajoelina, Minisitry ny raharaham-bahiny, Minisitry ny Repoblika ianao ary miantsoroka ny raharaham-bahiny, noho izany asio fanajana sy henatra kely ihany. Marina fa tsy mahafaty anao ny resabe, kanefa asio fanajan-tena kely ihany. Mendrika ny hajany I Madagasikara fa ny zavatra ataonao dia miteraka henatra sy fahafaham-baraka manitsakitsaka ny hasin’ny Malagasy. Lanjalanjao ihany Atoa Minisitra, am-panajana feno”, hoy hafatra, raha hadika tsotsotra ny nambaran’I Rivo Rakotovao. “Miala tsiny Tompoko fa nataoka tamin'ny teny vazaha ity fanambarana ity mba ho azon'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy tsara satria dia heveriko fa tsy mendrika sy manala baraka ny firenen-tsika ny fihetsika nataon'ingahy Minisitra tany Paris. Tsy manakana azy hanohana ny fitondrana fa toa hadinony fa Minisitry ny Raharaham-bahiny izy. Tena tsy mety, mahamenatra !!!! ” , hoy hatrany.
TSY MANANA ETIKA SY DEONTOLOJIA
Isan’ny toe-javatra niteraka adihevitra teto amin’ny tany sy ny firenena iny, ary karazan’ny nijabaka ny Fitondrana. Fihetsika kely hitarafana ny etika sy ny deontolojian’ny mpitondra. Zavatra lojika sy fanao ny fihetsiketsehana sy fanehoan-kery ara-politika saingy ny fisiana minisitra Lehiben’ny Diplaomasia tao anatiny no niteraka adihevitra satria nampiseho niharihary ny fiandaniana ara-politika nentina nanoherana sy nampisehoana hery tamin’ireo RMDM Diaspora izay nanao fihetsiketsehana. Zavatra mety tsy voalanjalanja ohatr’ireny no miteraka ny fanasokajiana ho “sans qualité” toy ny tamin’ny tetezamita. Mbola adihevitra hafa ny fisiana olona toa notaomina avy taty Madagasikara hanao Diaspora.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT