Nitondra ny heviny mikasika ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amin` ny firenena, ankilany, sy ny toe-draharaha eo amin` ny lafiny sosialy sy ara-toekarena nandritra izay telo herinandro fihiboahana izay,etsy andaniny,
ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao. Ho an` ity filohanà Andrimpanjakana ity dia ny fanomezanana vaovao mari-pototra amin` ireo asa tanterahina no hamehana amin` izao fiatrehana ny COVID-19 izao. “Andraikitry ny fanjakana no mandrindra sy mizara ireo laharampahamena ao anaty fotoana fohy sy ireo mahamaika aorian` ny krizy mianjady amin'ny firenena”. Amin` izao ady amin` ny « coronavirus » izao, mangataka fanazavana misimisy kokoa amin` ny fanaraha-maso ataon` ny fanjakana sy mangarahara amin`ny fitantanana ireo fanomezana sitrahin` i Madagasikara entina hiantohana ny lafiny ara-tsosialy ny filohan` ny Antenimierandoholona. Notsiahiviny fa misy ireo tohana ara-tsosialy izay tena ankasitrahana saingy ahiana ho fototry ny fanaparam-pahefana sy fanodikodinana. Tao anatin` izay telo herinandro fihibohana izay dia azo ambara fa voafehy ny fiparitahan` ny aretina raha oharina amin`ny any ivelany. Na izany na tsy izany, notsipihany fa mbola tsy ampy ireo andrana sy fitiliana atao ahafahana mifehy ny aretina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.