Politique

Rivo Rakotovao “Ho an’iza marina ny lalàna?”


  • Talata 28 Desambra 2021

Niseho tamin’ny tatitry ny vaomiera misahana ny fanaraha-maso ny fiainana politika ireny, hoy ny filohan’ny antenimieran-doholona teo aloha, Rivo Rakotovao, ny tsy fanarahan-dalana eto amin’ny firenena.

 Ny taona 2018 io rafitra io no napetraka, hoy izy. Ireny foana no lesoka nolazaina nanomboka tamin’ny fifidianana filohan’ny repoblika. Tsy nisy nihetsika na dia faingo iray aza ny fanatsarana natao nandritry ny vanim-potoam-pifidianana iray. Ny fifidianana alefa ihany dia ho alefa indray izao nefa ireny ny tsy fanarahan-dalana. Ny eo amin’ny fitondrana izao mila ireny tatitra ireny ary antony nanatrehako ireny foana izany na fony mbola filoha aza. Tany tan-dalana sa tsia isika? Ho an’iza ny lalàna? Farany teo izao dia hoe mifandona amin’ny lafiny ara-demokrasia ny fampiharana ny lalana dia hoy aho hoe tsy mitovy hevitra amin’izany aho. Izany ve izao dia hampitovy, sanatrian’izany, ny fitsaram-bahoaka eny an-dalambe hoe manana ny marina ilay vahoaka satria mpangalatra no tratra? Hanana ny rariny ve ilay vahoaka namono olona? Izany ve no ho entina aty amin’ny lafiny fifidianana hoe rehefa lany aho dia tsy azo kitihina intsony satria efa lany? Mety fahadisoan-kevitra lehibe izany, hoy aho, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT