Nahitsy ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha Atoa Rivo Rakotovao omaly tao amina fahitalavitra tsy miankina iray,
fa tonga amin’izao kihon-dàlana manahirana ny firenena satria tsy nezahina tamin’ny fotoanany ny fifampihainoana. Nolazaina fa hoe mangina ianareo, ianareo efa nitantanana teo, inona koa izay ianareo HVM? Inona ihany koa ianareo izay TIM na ny antoko hafa? Inona koa ianareo tsy mahay na inona na inona tsy lanin’ny vahoaka ireo? Mety tsy ho tonga amin’izao raha nifampihaino, hoy ity Filohana andrim-panjakana teo aloha ity sady Filoha Nasionalin’ny Antoko HVM ity. Amiko,Fanjakana natao handamina, fa tsy hifampiantsy ady izany. Mijanona ao anatin’ny ara-dalàna, ary izany no ilàna ireo mpitandro ny filaminana ireo, ho an’ny olona tsy manara-dalàna kosa, hoy I Rivo Rakotovao. Nambarany fa raha niezaka namaha izany, nampiseho fa tsy mitongilana dia tsy niafara amin’izao. Milaza ny hanohy ny asa maha mpanohitra azy ny HVM. Zava-dehibe ny fifampihainoana ary fomba betsaka no ahafahana manao izany, tsy hoe hibaboka akory ny Fanjakana, fa mba tokony ho tazan’ny olona eny ihany hoe mihaino ary mihaiky fa misy zavatra tokony hazavaina ny vahoaka. Natao handamina ny fiarahamonina ny Fanjakana fa tsy Fanjakana hifampitsapa hery sy hifametatra amin’ny vahoaka entiny sy tsy mitovy hevitra aminy ? Hoy hatrany ity Filoha Nasionalin’ny Antoko HVM ity. Nambarany fa hanohy ny asa maha mpanohitra azy ny HVM.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.