Politique

Rivo Rakotovao “Hanaparam-pahefana fotsiny ilay fahamehana”


  • Talata 11 Aogositra 2020

Fanaparam-pahefana ny mbola fanohizana ny hamehana ara-pahasalamana izay efa andiany faha-11 izao, raha ny nambaran-dRakotovao Rivo, izay sady Filohana andrim-panjakana no mpandrindra ny antoko HVM.

 

 

 

Mialokaloka ao anatin’io ny Filoham-pirenena, ary tsy ny HVM irery no nahatsikaritra, hoy izy. Ny filoham-pirenena mihitsy no mandika sy mampadika lalàna. Ny fepetra ara-pahasalamana no tokony hatsaraina, hoy ity Filohana andrim-panjakana ity. Fanapenam-bava, fitantanana tsisy mangarahara, fanamparam-pahefana no matetika tazana. Fanagadrana, tsy fahafahan’ny mpanao gazety mamoaka ny vaovao marina,... Nanomboka ny volana martsa, dia afaka ny Filoham-pirenena manapaka izy irery, namoaka ny miaramila teny an’arabe,… Aiza ny vokatra? Tao ambadimbadika tao ny colisée, Mahamasina, tsenan’asa momba ny kianja “synthétique”,… . Ny olona very asa, tsy afaka miasa, kanefa ilay fanjakana manao izay tiany. Ireny natao ireny, dia ny mpitsoaka mozika sy artista sisa tsy ampy fa raha ny fahitanay an’ireny dia efa propagandy sy fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana, hoy hatrany I Rivo Rakotovao. Nikorotam-belona ny fanomezana tosika satria tsy nisy antontan’isa, kanefa efa oviana no nilazana fa hanao “digitalisation”, izao mahita minisitra mandondom-baravarana hanao fanisana kanefa efa nandaniana vola ny teo aloha, raha ny fanehoan-kevitr’io Filohana andrim-panjakana io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT